Ny andro dia fe-potoana na tsingerim-potoana mifandraika amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny tenany. Amin' ny ankapobeny dia ny fiverenan' ny Masoandro amin' ny toerana efa nisy azy no amantarana ny fahafenoan' izany tsingerina izany. Izany dia misy 24 ora eo ho eo ka ny fanombohany dia miovaova arakaraka ny fahazarana sy ny tetiandro ampiasaina.

Ny teny hoe andro koa dia ilazana ilay fotoana ahitana na tokony hahitana ny Masoandro eny amin' ny habakabaka ka ahafahany manazava ny Tany, eo anelanelan' ny fiposahany sy ny filentehany, ka izany dia mifanohitra amin' ny atao hoe alina izay fotoana tsy ahitana ny Masoandro eo anelanelan' ny filentehany sy ny fiposahany. Ny andro resahina eny ambony izany dia ny fitambaran' ny andro (mazava) iray sy ny alina iray mifanarakarana na ny mifamadika amin' izany. Ventin-kalavam-potoana ampiasaina matetika handrefesana ny halavan' ny volana na ny taona ny andro.

Fanombohan' ny andro sy fanombohan' ny harinandro

hanova

Fanombohan' ny andro

hanova

Misy ny mampanomboka ny andro iray avy eo amin' ny fotoana ilentehan' ny Masoandro fa misy koa ny mampanomboka an' izany amin' ny misasaka alina. Ventin-kalavam-potoana ampiasaina matetika handrefesana ny halavan' ny volana na ny taona ny andro.

Andro anombohan' ny harinandro

hanova

Ny herinandro mahazatra ny Malagasy amin' izao fotoana izao dia manomboka amin' ny Alatsinainy nefa misy ny firenena manomboka ny herinandro amin' ny Alahady ary misy ny misafidy andro hafa. Ny Ntaolo malagasy sasany dia nampanomboa ny herinandro amin' ny Alakamisy.

Ny isan' ny andro

hanova

Ny isan' ny andro ao anaty herinandro

hanova

Arakaraka ny tetiandro ampiasaina ny isan' ny andro ao anatin' ny herinandro ka ny be mpampiasa dia ny tetiandro ahitana herinandro misy fito andro. Ny iray andro koa dia voatsinjara ho maro na vitsy arakaraka ny fahazarana na ny tetiandro ampiasaina ka ny be mpiampiasa dia ny mizara azy ho 24 ora. Amin' ny ankapobeny dia samy manana ny anarany ny andro tsirairay ao anatin' ny herinandro ka miovaova arakaraka ny tetiandro sy ny fiteny ampiasaina izany. Ny herinandro iray dia mety hanomboka amin' ny Alatsinainy na ny Alahady na ny Asabotsy na andro hafa arakaraka ny sehatra ampisana ny tetiandro sy ny vahoaka eto amin' izao tontolo izao mampiasa azy.

Ny isan' ny andro ao anatin' iray volana

hanova

Tsy mitovy ny isan' ny andro ao anatin' ny iray volana arakaraka ny laharan' ilay volana na ny tetiandro ampiasaina. Amin' ny ankapobeny dia misy 30 na 31 andro ny ao anatin' ny iray volana amin' ny tetiandro gregôriana na joliana nefa ny volana Febroary dia misy 28 andro na isaky ny efa-taona 29. Ny iray volana ao amin' ny tetiandro malagasy dia matetika misy 29 andro. Ny tetiandro hebreo sy silamo dia ahitana volana misy 29 na 30 andro.

Ny isan' ny andro ao anatin' ny taona

hanova

Ny ao anatin' ny iray taona koa dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Nisy ihany ny latsaky ny 300 andro toy ny an' ny tetiandro rômana. Ny taona iray ao amin' ny tetiandro gregôriana, ilay ampiasain' ny ankamaroan' ny olona amin' izao, dia misy 365 amin' ny telo taona mifanarakaraka fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona.

Ny anaran' ny andro

hanova

Ny anaran' ny andro malagasy sy ny mifanakaiky aminy

hanova

Avy amin' ny anaran' andro arabo ny anaran' andro malagasy sy ny fiteny maro hafa koa.

Anaran' ny andro fito amin' ny fiteny malagasy

hanova

Ireto avy ny anaran' ny andro fito ao anatin' ny herinandro amin' ny teny malagasy: Alatsinainy, Talata, Alarobia, Alakamisy, Zoma, Asabotsy, Alahady. Ny Alatsinainy dia mety hisy hanoratra na hanonona hoe Tinainy na Tsinainy; ny Talata ho Atalata; ny Alarobia ho Larobia; ny Alakamisy ho Kamisy; ny Zoma ho Azoma; ny Asabotsy ho Sabotsy ary ny Alahady ho Lahady.

Malagasy (ofisialy) Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Asabotsy
Malagasy (hafa) Lahady Tinainy /

Latsinainy

Atalata Larobia Kamisy /

Lakamisy

Azoma Sabotsy

Anaran' ny andro fito amin' ny fiteny arabo sy somalý sy maltey ary maley

hanova

Naka anaran' andro arabo manontolo ny fiteny sômalý sy maley ary maltey.

Arabo al-aḥad al-ithnayn ath-thulathā’ al-’arbi‘ā’ al-khamīs al-jum‘ah as-sabt
Somalý Axad Isniin Talaado Arbaco Khamiis Jimco Sabti
Maltey Il-Ħadd It-Tnejn It-Tlieta L-Erbgħa Il-Hamis Il-Gimgħa Is-Sibt
Maley Ahad Isnin Selasa Rabu Khamis Jumaat Sabtu

Ny anaran' ny andro fito ao amin' ny fiteny amharika sy indôneziana ary sondaney

hanova

Ny fiteny indôneziana sy ahmarika ary sondaney dia naka ampahany ihany tamin' ny anaran' andro arabo.

Amharika əhud säñño maksäñño räbu, rob hamus arb ḳədame
Indôneziana Minggu Senin Selasa Rabu Kamis Jumat Sabtu
Sondaney Minggu /

Minggon

Senén Salasa Rebo Kemis Jumaah Saptu

Jereo koa

hanova
  NODES
os 9