Fariseo
Ny Fariseo na Farizianina dia ny Jiosy tao amin' ny antoko iray tao Jodea nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa, izany hoe tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe farisaisma na farizianisma ny firehan-kevitra ara-pivavahan' izy ireo. Maro ny fampianaran' ny Fariseo izay tafakambana ao amin' ny lovatsofin' ny Raby. Miavaka ny fampianaran' ny Fariseo noho izy mifototra amin' ny Tôrah am-bava mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin' ny Fariseo dia ny boky nosoratan' i Flavio Jôsefa sy ny Testamenta Vaovao ary ny soratr' ireo raby. Ny Sadoseo (na Sadoseana)[1] sy ny Eseniana[2] ary ny Zelôta[3] no antoko telo lehibe hafa.
Ny anarany
hanovaAo amin' ny soratr' i Flavio Jôsefa no nahitana voalohany ny firesahana ny amin' ny Fariseo[4] raha tantarainy ny nisarahan' i Joany Hirkano tamin' io antoko io ka nikambana tamin' ny Sadoseo[5]. Tamin' io fotoana io ihany koa no nampalaza ny firesahana ny Fariseo ao amin' ny Filazantsara.
Ny teny hoe Fariseo dia avy amin' ny teny grika hoe Φαρισαῖος / Pharisaios izay avy amin' ny teny arameana hoe פְּרִישָׁא / Perîshâ (פְּרִישַׁיָּא / Perîshayyâ raha amin' ny endrika milaza maro) izay midika hoe "voasaraka". Io indray dia mifandray amin' ny teny hebreo hoe פָּרוּשׁ / pârûsh (פְּרוּשִׁים / perûshîm raha amin' ny endrika milaza maro). Avy amin' ny matoanteny hebreo hoe פָּרַשׁ / pârash izay midika hoe "manambara" na "manasaraka" na "manazava".
Ny tantarany
hanovaNy fiaviany
hanovaAraka ny lovantsofina rabinika dia taranaky ny olonkendry tao amin' ny Sinagôga Lehibe (כְּנֶסֶת הַגְּדוֹלָה / Knesset HaGedolah) ny Fariseo. Efa hatramin' i Simôna ilay Marina (angamba ny mpisoronabe Simôna II izany) sy i Antigôna avy ao Sokho ny fireham-pisainan' ny Fariseo.
Tsy mazava anefa ny tena fiaviany, sahala amin' ny an' ny Sadoseo koa[6]. Nisandratra amin' ny maha antoko azy ny Fariseo taorian' ny fikomian' ny Makabeo sy ny fiakaran' ny taranaka hasmôneana teo amin' ny fitondrana tao Jodea. Milaza ny petra-kevitra sasany fa taranaky ny Hasidima ("Tia vavaka") izay nanda tsy nanaraka ny fomba amam-panao grika teo ambany fanapahan' i Antiôkôsy IV Epifanesy ny Fariseo[7].
Niantehitra amin' ny saranga anelanelany, izay nanana fari-piainana ampy noho ny fandrosoana ara-toekarena, ny Fariseo. Nanampy azy ireo tamin' ny fanaparitahana ny fandalinana ny lalàna tany ivelan' ny toerana mahazatra mifandray amin' ny Tempolin' i Jerosalema izany toe-javatra izany. Izany fandrosoan' ny toekarena izany dia niteraka ny filana ny mpanoradalana manam-pahaizana momba ny lalàna, nefa tsy voatery ho mpanoradalàna miankina amin' ny Tempoly izany[8].
Tsy fifanarahany tamin' ireo antoko hafa
hanovaAraka an' i Flavio Jôsefa dia teo amin' ny resaka foto-pinoana no tsy nifanarahan' ny Fariseo tamin' ny Sadoseo sy ny Eseniana, ary koa tamin' ny lafiny fampiharana ny tokony ho fitondran-tena eo amin' ny fiainana andavanandro, izany hoe momba ny halakha[9]. Nisafidy ny hampifanaraka ny fototry ny halakha amin' ny zava-misy ny Fariseo manoloana io fiovana ara-piarahamonina sy ara-toekarena io, mba hahatonga azy ireo tsy hilaozan' ny toetrandro[10]. Nekeny ny fivoarana miandalan' ny fivoasana ny lalàna. Ny lalàna am-bava (Tôrah am-bava izay atao hoe koa "lovantsofin' ny razana") no iankinany amin' izany. Mampiavaka ny fisainan' ny Fariseo io atao hoe Tôrah am-bava io izay nivoatra hatramin' ny vanimpotoana persiana.
Nifanohitra ny Eseniana (antoko tao amoron' ny Ranomasina Maty) sy ny Fariseo araka ny voalaza ao amin' ny soratanam-piraketana iray hita tao amin' ny Ranomasina Maty[11], ka indreto ireo zavatra tsy nifanarahana ireo: ny fahadiovana takin' ny fombam-pivavahana, ny firavoravoana, ny fitantanana ny Tempoly ary ny mpisorona. Tsy mitovy ny fahazoan' izy ireo ny Lalàna. Eken' ny Fariseo ny fampifanarahana ny Lalàna amin' ny zava-misy iainana fa ny Eseniana kosa mandray amin' ny fomba hentitra ny Lalàna, ka aleony mifady ny fanao sarotra toy izay ho azon' ny fahalotoana ara-pivavahana.
Fiantraikan' ny fisainan' ny Fariseo
hanovaIlay fampifanarahana ny fivoasana ny Lalàna amin' ny zava-misy nataon' ny Fariseo dia nahatonga azy ireo hanaiky ny fiakaran' ilay Hasmôneana atao hoe Simôna eo amin' ny asam-pisoronana, na dia tsy taranak' i Zadôka na Sadôka na Tsadôka (atao hoe Zadôkida na Sadôkida na Tsadôkida) aza izy. Tamin' ny fanapahan' ny Hasmôneana dia nifaninana tamin' ny Sadoseo sy ny antoko hafa ny Fariseo teo amin' ny fitarihana ara-panahy an' i Jodea sy ny vahoaka jiosy. Nankasitrahin' ny maro anisa[6] izay nahitana tantsaha sy tandrenivohitra nafana fo amin' ny vavaka ny antokon' ny Fariseo. Ny Sadoseo kosa dia niaro ny tombontsoan' ny saranganan' ny mpisorona izay nifamatotra hatrizay amin' ny fahefana ara-pôlitika. Tamin' ny andron' i Joany Hirkano dia nandaitra teo amin'ny vahoaka ny hevitry ny Fariseo sady nanakaiky kokoa ny mpitondra izy ireo. Tsy nankasitraka ny fitiavan' i Hirkano manita-panjakana sy ny faty olona ary ny harena lany naterak' izany anefa izy ireo. Tsy nankasitrahin' ny sasany tamin' izy ireo koa ny fivangongoan' ny fahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana amin' olon-tokana[12]. Noho izany dia nihavery ny toeran' izy ireo tao amin' ny lapan' ny Hasmôneana. Neken' izy ireo ny niakaran' i Herôda I Lehibe teo amin' ny fitondrana na dia Idomeana (Edômita) aza izy, satria afaka niantoka ny fandriam-pahalemana sy ny fahaleovan-tenan' ny fivavahana i Herôda[13]. Ho setrin' izany dia nankasitrahan' ny vahoaka i Herôda noho ny namelany malalaka ny Fariseo.
Lazain' i Flavio Jôsefa ho mpikatsaka fahefana pôlitika ny Fariseo. Tamin' ny fanapahan' ny mpanjakavavy Salôme Aleksandra dia nanara-maso ny fahefana pôlitika izy ireo sady nifehy ny fanompoam-pivavahana tao amin' ny Tempoly. Tsy misy anefa porofo ahafaha-milaza fa izy ireo no antoko natanjaka indrindra nandritra ny vanimpotoana hasmôneana sy rômana[14].
Toeran' ny Fariseo teo amin' ny jodaisma rabinika
hanovaTamin' ny fandravan' ny Rômana an' i Jerosalema sy ny Tempoly (taona 70 taor. J.K.) dia nandamina ny sisa tamin' ny jodaisma ny Tanaim sady nampisandratra ny jodaisma rabinika. Nanjary nanjaka tao ny fomba fijerin' ny Fariseo, na dia hita tao koa ny hevitry ny antoko hafa[15]. Ny fisainan' ny Fariseo no hany afaka nifanaraka amin' ny tsy fisian' ny Tempoly sady nanana rafitra afaka mifanaraka amin' ny toe-javatra vaovao. Ny fitenenana hoe "farisaisma" dia tsy ampiasaina intsony satria nifangaro tamin' ny jodaisma tanaitika izany.
Tsy atao hoe Fariseo anefa ny Olonkendrin' ny lahatsoratra talmodika. Misy loharanon-tsoratra roa anefa manao ny Tanaima tao amin' ny fianakavian' i Gamliel[16] ho Fariseo, dia ny rabban Gamliel Zokiny, izay resahina ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 5.34) sy i Shimon ben Gamliel I, izay resahina ao amin' ny Autobiographie nataon' i Flavio Jôsefa (toko faha-38).
Ny fariseo sy ny fivavahana kristiana
hanovaMaro ny mpanoratra mihevitra fa maneho ny zava-nisy marina tamin' ny vanimpotoan' i Jesoa ny lahatsoratra ao amin' ny Filazantsara ka milaza fa tandindon' ny fihatsaram-belatsihy sy ny fanarahana fombafomba tafahoatra eo amin' ny sehatry ny fivavahana ny Fariseo sy ny fampianarany (farisaisma). Tandindon' ny fanaovana tsinontsinona ny hafa izay heverina ho ambany toetra ny Fariseo.
Fanakianana ny Fariseo
hanovaNanakiana matetika ny Fariseo i Jesoa, indrindra ny amin' ny fanizingizinan' izy ireo ny lalàn' ny fombam-pivavahana sy ny fanao momba ny fahadiovana. Nanozona ny Fariseo i Jesoa araka ireo Filazantsara ireo, ohatra ao amin' ny Evanjelin' i Matio (Mat. 23.13; 23.16).
Ao amin' ny Evanjelin' i Lioka ilay fanoharana ny amin' ny Fariseo sy ny mpamory hetra (mpiasan' ny fanjakana rômana izay tena tsy tian' ny vahoaka jiosy) dia maneho ny fahambonian' ny mpamory hetra, izay niaiky ny maha mpanota azy ka nangataka ny famindram-pon' Andriamanitra, raha miohatra amin' ilay Fariseo izay manandra-tena amin' ny fitandremany ny fitsipika ka mihevi-tena ho ambony noho ny hafa[17].
Raha ny tena marina dia ny Fariseo mpihatsara velatsihy no tsikerain' i Jesoa (Mat. 6), izany hoe ireo tsy mampisy dikany ny tsy manam-pahaizana sy ny mpanota araka ny fitsarany azy ireo amin' ny lalàny (Lio. 18.9-14), izay manome lanja tafahoatra ny fisehoana ivelany amin' ny fivavahana ka miavonavona eo anatrehan' Andriamanitra, sady mihevitra fa manam-pahefana amin' Andriamanitra amin' ny fanatanterahan' izy ireo ny fanaony (Mat. 20.1-16; Lio. 15).
Tsy mety mihaino ny fampianaran' i Jesoa ny Fariseo (Joa. 8.13; 9.13-40). Voakiana ny fandraisany ara-bakiteny ny Lalàna sy ny fametrahany fahamarinana aorina amin' ny asan' ny olona ka te hanery an' Andriamanitra hanome valisoa azy ireo.
Fariseo nifandray tamin' i Jesoa
hanovaNa dia nandà ny fampianaran' i Jesoa aza ny ankamaroan' ny Fariseo dia nisy ihany ireo izay nankasitraka ny hafany ka nandray azy hiara-misakafo aminy (Lio. 7.36; 11.37; 15.1), dia ireo izay niaro azy (Lio. 13.31; Joa. 7.50), ireo izay niaro ny Kristiana (Asa 5.34-42), ary ireo izay nino fa tanteraka ao amin' i Jesoa ny finoana jiosy (Asa. 15.5).
Fariseo tonga kristiana
hanovaNisy koa ireo Fariseo izay tonga kristiana ka ny sasany niseho ho fatra-panaja ny lalàna (Asa 15.5-16). Fariseo niova ho kristiana i Paoly (Asa 26.5; Filipiana 3.5).
Jereo koa
hanovaAntoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma
Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma
Loharano
hanova- ↑ Ny Sadoseo na Sadoseanina dia antoko jiosy tao Jodea tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K., avy amin' ny saranga ambonin' ny mpisorona, izay tsy mino ny fisian' ny anjely sy ny fitsanganan-ko velona.
- ↑ Ny Eseniana dia ireo olona tao amin' ny antoko mpanaraka ny jodaisma tamin' ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa izay niroborobo nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. Fikambanan' olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady mifady ny fahafinaretana eto amin' izao tontolo izao. Nalaza ny Eseniana tamin'izao vaninandro vaovao izao noho ny fahitana tamin' ny taona 1947 ny "Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty". Ireo fikambanana lehibe indrindra, izay nisy maromaro, dia nonina teny amoron' ny Ranomasina Maty, nivelona amin'ny fambolena sy ny asan-tanana, miombom-pananana izy ireo.
- ↑ Ny Zelôta dia firehana na antoko ara-politika sy ara-pivavahana jiosy nalaza tamin' ny fanoherana ny Rômana tao Jodea tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K., izay namporisika ny vahoaka jiosy tao amin' ny faritanin' i Jodea hikomy amin' ny Fanjakana rômana sady handroaka azy amin' ny alalan' ny fitaovam-piadiana. Ny Zelôta ireo mpitarika ny Fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 70 taor. J.K.
- ↑ Simon Claude Mimouni, Le Judaïsme ancien du vie siècle avant notre ère au iiie siècle de notre ère : Des prêtres aux rabbins, PUF, coll. « Nouvelle Clio », 2012 (ISBN 978-2130563969), p. 235
- ↑ Mireille-Hadas Lebel, Le contexte historique des débuts du Talmud : Le conflit entre pharisiens et saducéens, conférence pour Akadem, campus numérique juif, 28/05/2007, conférence en ligne [tahiry]
- ↑ 6,0 et 6,1 Michael Wise, Martin Abegg et Edward Cook, Les Manuscrits de la mer Morte, Paris, éd. Perrin, 2003, p. 29.
- ↑ Simon Claude Mimouni, Le judaïsme ancien du VIe siècle avant notre ère au IIIe siècle de notre ère, 2012, Paris, éd. PUF, p. 234
- ↑ Joachim Schaper, "The Pharisees", dans The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period, vol. 3, Cambridge University Press, 1999 (ISBN 978-0521243773), p. 402-427, p. 405
- ↑ Joachim Schaper, "The Pharisees", dans The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period, vol. 3, Cambridge University Press, 1999 (ISBN 978-0521243773), p. 402-427, p. 407
- ↑ Joachim Schaper, "The Pharisees", dans The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period, vol. 3, Cambridge University Press, 1999 (ISBN 978-0521243773), p. 402-427, p. 409
- ↑ Joachim Schaper, "The Pharisees", dans The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period, vol. 3, Cambridge University Press, 1999 (ISBN 978-0521243773), p. 402-427, p. 406
- ↑ Joachim Schaper, "The Pharisees", dans The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period, vol. 3, Cambridge University Press, 1999 (ISBN 978-0521243773), p. 402-427, p. 412
- ↑ Joachim Schaper, "The Pharisees", dans The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period, vol. 3, Cambridge University Press, 1999 (ISBN 978-0521243773), p. 402-427, p. 417
- ↑ Lester L. Grabbe, Judaic Religion in the Second Temple Period : Belief and Practice from the Exile to Yavneh, Routledge, 2000 (ISBN 0-415-21250-2), p. 185-199, p. 199
- ↑ Joachim Schaper, "The Pharisees", dans The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period, vol. 3, Cambridge University Press, 1999 (ISBN 978-0521243773), p. 402-427, p. 427
- ↑ Lester L. Grabbe, Judaic Religion in the Second Temple Period : Belief and Practice from the Exile to Yavneh, Routledge, 2000 (ISBN 0-415-21250-2), p. 185-199, p. 194
- ↑ Roger Martin du Gard, Les Thibault, 1922, p. 732