Faritra Itasy
-
Fianarana no lova tsara
Firenena  Madagasikara
Faritany Antananarivo
Renivohi-paritra Miarinarivo
Distrika 3
Lehiben'ny faritra ----
Fianarana no lova tsara
Velarantany 6 993 km2
Isam-ponina 643 000 mpo.
Hakitroky ny mponina 91,95 mpo/km2
Fianarana no lova tsara
Laharam-pehintany 19° 00′ 00″ Atsimo
Laharan-jarahasina 46° 46′ 00″ Atsinanana

Ny Faritra Itasy dia faritra ao amin' ny faritanin' Antananarivo eo anivon' i Madagasikara. Mizara sisin-tany amin' ny faritra Analamanga isy any avaratra atsinanana, amin' i Vakinankaratra any atsimo ary amin' i Bongolava any avaratra-andrefana. Ny renivohi-paritra dia i Miarinarivo, ary ny isa-mponina dia misy any amin' ny 643 000 any ho any tamin' ny 2004, isy no faritany kely indrindra any Madagasikara miaraka amin' ny velarantany 6 993 km2, ary izy no be hakitroky ny mponina indrindra ao aorian' ny faritra Analamanga.

Faritra Itasy
Analavory (Ampefy)

Voazara distrika telo izy :

Ny anaran' ny faritra Itasy dia anaram-parihy, farihy fahatelo eto Madagasikara. Ny faritra dia malaza amin' ny toetra maro:

  • Ny farihy itasy: misy mpanjono telo arivo mahery no miaina eo amorom-parihy, lakana zato no lasa manjono eny am-parihy isan-andro.
  • Ny tsangam-baton' i Maria Virjiny, eo amin' ny sisim-parihy, manamarika ny anivon' i Madagasikara.
  • Ny nosin' Itasy.
  • Riandrano Lily. Ny riandrano voalohan' i Madagasikara, manana haabo 16 m sy halalaka 35 m. Ny faharoa (Analavory) dia manan-kaabo 22 m, fa tsy mitovy halalaka.
  • Farihy madinika roapolo
  • Ny fantsitsitra (geyser) Analavory, mivoaka rano mangatsiaka mety mahatratra telo metatra.
  • 120 km ny ranivohi-pirenena ny farihy.
Chute de la Lili

Farihy

hanova

Jereo koa

hanova

Faritany sy faritra eto Madagasikara:

Rohy ivelany

hanova

Lahatsoratra samihafa

Didy aman-dalàna

Tsiahy

hanova

Jereo koa

hanova
  NODES