Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo

(tonga teto avy amin'ny Fiangonana ortodoksa teoahedo)

Ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo dia isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana sady ao amin' ny Fiombonan' ny Fiagonana Ôrtôdôksa Tatsinanana. Izy no fiangonana ôrtôdôksa miely indrindra ao Etiôpia sy ao Eritrea. Hatramin' ny nisiany ka hatramin' ny taona 1959 dia teo ambany fandraharahan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo. Nahazo ny fahaleovan-tenany ara-pitondrana izy taorian' io taona io ka manana ny patriarkany manokana. Rehefa nahazo fahaleovan-tena ka nisaraka tamin' i Etiôpia i Eritrea tamin' ny taona 1993 dia nahazo ny fahaleovan-tenany koa ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Eritreana ka tafasaraka tamin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana. Miavaka ny Fiangonana teoahedo noho ny hamaron' ny boky tafiditra ao amin' ny Baiboly ampiasainy izay mihoatra lavitra ny hita ao amin' ny Baibolin' ny fiangonana hafa na Katôlika na Ôrtôdôksa.

Jereo koa:

hanova
  NODES
todo 1