Ny fiarahamonina dia ny vondron' olona miara-miaina, izay mitovy fenitra sy kolontsaina, sady mifandray amin' ny fomba maharitra amin' ny alalan' ny fiaraha-miasa sady matetika iray faritra onenana na iray tamba-jotram-pifaneraserana ary matetika fehezin' ny fahefana ara-pôlitika iray. Miavaka ny fiarahamonina samihafa noho ny fisian' ny lamim-pifandraisan' ny samy olona izay manana kolontsaina sy rafitra manokana; azo lazaina ho fitambaram-pifandraisana isan-karazany toy izany eo amin' ny mpikambana ao aminy ny fiarahamonina.

Sary mampiseho ny fiarahamonina tamin' ny vanim-potoanan' ny olombelona voalohany.

Saro-takarina ny rafi-piarahamonin' ny olombelona izay ahitana fiaraha-miasan' ny mpikambana ao aminy, ahitana fitsinjarana karazan' asa amin' ny alalan' ny fampisahanana andraikitra manokana. Mamorona andraikitra sy fitondrantena tokony halain-tahaka amin' ny alalan' ny fiheverana ny fihetsika na hevitra sasany azo ekena na tsy azo ekena ny fiarahamonina. Fantatra amin' ny anarana hoe "fitsipi-piarahamonina" ny zavatra andrasana mahakasika ny fitondran-tena sy ny fihetsika ao anatin' ny fiarahamonina. Amin' ny maha lamina anjakan' ny fiaraha-miasa azy dia sehatra ahafahan' ny mpikambana ao aminy hahazo tombon-tsoa izay mety ho sarotra azon' olon-drery ny fiaraha-monina.

Miovaova arakaraka ny haavon' ny teknôlôjia sy ny karazana asa ara-toekarena misy ao aminy ny fiarahamonina. Matetika ahitana saranga na fanjakazakana ny fiarahamonina lehibe kokoa izay manana ambim-bava bebe kokoa. Ny fiarahamonina dia mety manana endri-pitondrana isan-karazany, sy fiheverana isan-karazany ny atao hoe fifandraisan' ny mpihavana, ary fiheverana samy hafa momba ny andraikitry ny lahy sy ny vavy. Miovaova be ny fihetsika sy ny fitondran-tenan' ny olombelona arakaraka ny fiarahamonina misy azy; mamolavola ny fiarahamonina ny olombelona, nefa mamolavola ny olombelona koa ny fiarahamonina avy eo.

Noho izy manosika ny tena mahery sy manan-karena hanampy ny mahantra, dia tena zava-dehibe amin' ny fiarahamonina ny zom-pirenena, zo sy ny fotoana voafetra. Ireo no fototra ahazoana ny rariny. Raha rava ireo dia manomboka mihevitra ny mpikambana ao amin' ny fiarahamonina fa anjakan' ny tsy rariny izany fiarahamonina izany ka hanomboka hifangalatra sy tsy hanaiky hifanampy izy ireo, na hanomboka hihevitra ny mpanana ho mpangalatra.

Na dia samihafa aza ny fiarahamonina tsirairay dia mitovitovy ny fomba fahasimbany: hosoka, halatra, herisetra, ady na fandripaham-poko raha tsy mahatsapa ny tenany ho anisan' ilay fiarahamonina intsony ny olona, ary mahafantatra amin' ny heveriny fa "foko". Ny fiarahamonina vaovao dia mety hahitana olona izay mbola manaiky ny fitsipika taloha na mbola miaina ao amin' ny fitontongan' ilay fiarahamonina taloha.

Raha horefesina ny hery sy hiray saina ny fiarahamonina misy mpikambana vonona hanampy ny tsirairay, dia antsoina hoe kapitaly ara-tsosialy izany, satria mahasolo ny endrika kapitaly hafa ilay izy. Kely kokoa ny vola ilaina rehefa betsaka ny firaisan-kina eo amin' ny fiarahamonina, satria ny firaisan-kina no solon' ny vola.

Na izany aza dia matetika no tsy refesina mivantana ny hery, fa an-kevitra ihany. Manao zavatra mety mampidi-doza ny olona raha izany no anohanan' ny fiarahamonina azy. Ohatra, ireo izay tsy mankatò lalàna ka antenain' ny mpiara-monina aminy hanafaka azy amin' ny didim-pikambana amin' ny Fitsarana Ambony.

Mametraka fitsipika ho an' izany karazana fiaraha-miasa izany ny fifanarahana ara-piarahamonina. Karazana fifanarahana ara-piarahamonina ny lalàm-panorenana - izay mamela ny fitsarana ny mpitsara na ny manapa-kevitra fa ny lalàna, fa tsy ny olona, no tsy mety, araka ny fitsipiky ny fiarahamonina.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  NODES