Ny fiteny kaikaviana dia karazan' ny fiteny krôatiana, ampiasaina indrindra any Krôasia, ao amin' ny faritr' i Zagreb sy ny faritr' i Hrvatsko Zagorje. Ny fitenim-paritra nisampana avy aminy dia ampiasaina eo akaikin' ny faritra an-tsisintany miaraka amin' i Aotrisy sy i Hôngria. Amin' ny teny kaikaviana dia fiteny ny hoe kajkavščina; amin' ny teny stôkaviana dia kajkavski [kǎjkaʋskiː] (raha mpamari-toetra), kajkavica na kajkavština [kajkǎːʋʃtina] (raha anarana).

Avy amin' ny teny hoe kaj /kai/, izay midika hoe "inona" amin' ny teny krôatiana ny anaran' io fiteny io. Ity teny ity raha ny marina dia tsy mitovy amin' ny karazany roa amin' ny fitenim-paritry ny fiteny krôatiana: što /ʃto/ amin' ny fiteny krôatiana stôkaviana, ča /tʃa/ amin' ny fiteny krôatiana tsakaviana, izay samy midika hoe "inona".

Jereo koa

hanova
  NODES