Ny jirofo dia zavamaniry amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany, izay volena mba hahazoana ny voniny, izay antsoina hoe jirofo ihany koa.

Faritra mety amin' ny fambolena jirofo

hanova
 
Jirofo avy notazana

Avy any Maluku Utara (Maloko Avaratra) any Indônezia ny jirofo nefa ankehitriny dia volena amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany mafana sy mando.

Antontanisan' ny famokarana jirofo (2003-2004)

Trehimarika avy amin' ny FAOSTAT
Indônezia 87 909 68,2 %
Madagasikara 20 000 15,5 %
Tanzania 12 500 9,7 %
Srilanka 4 100 3,2 %
Kômôro 3 013 2,3 %
Firenena hafa 1 370 1,1 %
Fitambarany 128 892 100 %

Toetoetran' ny jirofo

hanova
 
Hazo jirofo

Karazan-kazo madinika ny jirofo, izay misy raviny mahari-mipetaka amin’ ny tahony fa tsy mora mihintsana, sady miendrina atody. Syzygium aromaticum no anarany ara-tsiansa. Miendrika kitsoloha ny hazo jirofo ary manana haavo mirefy 12 m hatramin' ny 20 m.

 
Vonin-jirofo
 
Ravin-jirofo

Ny felam-bonin’ny jirofo, izay miloko fotsy manopy mavokely, dia mitapelaka kely sady mitangorona ary mamoaka fofo-manitra. Mani-pofona ihany koa ny ravin’ ny jirofo sy ny hodiny.

Fikarakarana sy fampiasana ny vokatra jirofo

hanova

Ahahy amin’ ny masoandro na hafanaina anaty setrok’ afon-kitay ny voan-jirofo ka mamoaka fofo-manitra antonony tsara ampiasaina amin’ ny nahadro.

Ahazoana ranony ampiasaina amin’ ny fanamboarana ranomanitra sy savony ny jirofo rehefa avy noterena sy notanehina.

Azo ampiasaina amin’ ny fandidiana momba ny nify koa izany satria tsy andrenesana ny manaintaina sady mamono ny mikrôba.

Anarana ara-tsiansa iantsoana azy

hanova
  • Caryophyllus aromaticus L.
  • Caryophyllus hortensis Noronha
  • Caryophyllus silvestris Teysm. ex Hassk.
  • Eugenia aromatica (L.) Baill. (synonyme ambigu)
  • Eugenia caryophyllata Thunb.
  • Eugenia caryophyllus (Spreng.) Bullock & S. G. Harrison
  • Jambosa caryophyllus (Spreng.) Nied.
  • Myrtus caryophyllus Spreng.

Jereo koa

hanova
  NODES
Note 1