Nerô
Ankapobeny
Anarana Nerô
Teraka 13 Desambra 37
Maty 7 Jiona 68
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Roma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

I Nerô na Nerôna dia emperoran'i Rôma faha-5, isan'ireo Jolio-Klaodiana, izay nitondra teo anelanelan'ny taona 54 sy 68 taor. J.K. Teraka tamin'ny 13 na 15 Desambra 37 tao Antioma ary maty ny 7 Jona 68 tao Rôma izy. Nalaza tamin'ny fanenjehana ny Kristiana ity emperora ity. Nero Claudius Caesar Augustus Germanicus no anarany amin'ny teny latina.

Ny vadiny dia i Klaodia Oktavia (latrina: Claudia Octavia) sy i Popea Sabina (latina: Poppaea Sabina) ary i Statilia Mesalina (latina: Statilia Messalina).

Ny fiainany

hanova

Fahazazany

hanova

Teraka tamin'ny 15 Desambra 37 tao Antioma i Nerô izay nomena ny anarana latina hoe Lucius Domitius Ahenobarbus. I Kneo Domitio Ahenobarbo (latina: Cneius Domitius Ahenobarbus) sy i Agripina Zandriny (latina: Agrippina Minor) no ray aman-redreniny. Tamin'ny taona 49 dia nanambady ny emperora Klaodio I i Agripina ka tamin'ny taona manaraka an'io dia nadresy lahatra an'i Klaodio izy hanangana an'i Nerô ho zanany sady nanova ny anarany hoe Lucius Domitius Claudius Nero.

Fiakarana teo amin'ny fitondrana

hanova

Tamin'ny taona 53 dia nampanambady an'i Nerô ny zanany vavy atao hoe Oktavia i Klaodio avy eo nanendry azy ho mpandimby azy eo amin'ny fitondrana, ka nesoriny tsy ho mpandova fitondrana noho izany ny tena zanany atao hoe Britaniko (latina: Britannicus). Rehefa maty i Klaodio tamin'ny taona 54 dia nambara fa i Nerô, izay 17 taona tamin'izany, no emperora. Feno fandanjalanjana sy fandeferana ny dimy taona volalohany nitondran'i Nerô izay nampian'ireo mpiahy azy, dia i Boro (latina: Sextus Afranius Burrus) sy i Seneka (latina: Lucius Annaeus Seneca), na dia nanapoizina an'i Britaniko i Nerô.

Ny fitondrany

hanova

Jadona sy ny vonoan'olona

hanova

Tamin'ny taona 59 dia nampamonoiny ny reniny (izay mety namono koa ny emperora Klaodio) izay nitsikera ny fitiavany an'i Pôpea Sabina (Poppaea Sabina). Tamin'ny taona 62 dia nisaraka tamin'ny vadiny Oktavia izay nampamonoiny taty aoriana izy, ka nampakatra an'i Pôpea Sabina. Mety nopoizininy koa i Boro ary niala tsy ho mpanolo-tsaina azy i Seneka.

Tamin'ny taona 64 dia ny 2/3n'ny tanànan'i Rôma dia nirehitra nandritra ny nitoeran'i Nerô any Antikoma; nampangaina ho izy no nahavanona izany. Ataon'ny Rain'ny Fiangonana ho mpanenjika voaloany ny Kristiana izy, araka ny lahatsoratra tsy dia tena mazava nataon'i Soetonio (latina: Caius Suetonius Tranquillus) sy i Tasito (latina: Publius Cornelius Tacitus). Nanome trano ny tsy manan-kialofana izy sady nanamboatra ny fiarovana ny tanàna amin'ny fahamaizana. Ny fanorenana nataony sy ny fanomezana fialam-boly ary ny fizarana sakafo amin'ny vahoaka dia nantohan'ny fandrobana ny fananan'ny mponin'i Italia sy any amin'ny faritany. Tiany ny ho mpanakanto (poeta, mpihira mpitendry zava-maneno), mpikarakara fifaninanana fanatanjahan-tena sy zavakanto maro hafa, ary ny hatao hoe mpahita.

Fahasahiranana

hanova

Nandritra izany fotona izany dia nandalo fahasahiranana lehibe ny Empira. Nataony ho fanjakana mpanelanelana azy amin'ny Partiana fahavalony i Armenia, tamin'ny alalan'ny adin-tafika nandaniam-bola nefa tsy nahitam-pahombiazana. Nipoitra ny fikomiana tany Britaina tamin'ny taona 60 sy 61 sy tany Jodea teo anelanelan'ny taona 66 sy 70.

Tamin'ny taona 65 dia nikononkonona ny hamono an'i Nerô i Kaio Kalpornio Piso (latina: Caius Calpurnius Piso); novonoina ny olona miisa 19 voarohirohy tamin'izany raharaha izany, ka isany i Seneka sy ny poeta Lokàno (latina: Marcus Annaeus Lucanus). Voatantara koa fa maty tamin'ny taona 65 noho ny herisetra nataion'i Nerô taminy i Pôpea tamin'ny nanambadian'ny emperora an'i Mesalina (Statilia Messalina) rehefa nampamonoina ny vadin'i Mesalina.

Fiafaran'i Nerô

hanova

Tamin'ny taona 68 dia nikomy tamin'i Nerô ny antokon-tafika any Galia sy any Espaina, ka nahatonga azy handositra an'i Rôma. Nanambara ny Loholom-panjakana (Senatus) fa fahavalom-pirenena i Nerô, dia namono tena ny emperora tamin'ny 11 Jona 69, natrehin'ny mpitan-tsorany atao hoe Epafrôdito (latina: Tiberius Claudius Epaphroditus).

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova
  • Ao amin'i Freebase: [1]
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  NODES