I Pôlinezia dia faritra ao amin' ny tapany atsinanana amin' i Ôseania izay ahitana nosy maro dia maro. Ny nosy sy ny vondro-nosy mamaritra ny sisiny dia ny vondro-nosin' i Hawaii ary avaratra, ny Vondro-nosy Paska any atsinanana ary i Zelandy Vaovao (New Zealand na Aotearoa) any andrefana.

Ny telolafin' i Pôlinezia

Avy amin' ny teny grika hoe πολύς / polús ("maro") sy νῆσος / nễsos) ("nosy") ny teny hoe Pôlinezia ka midika ara-bakiteny hoe "nosy maro".

Miteny amin' ny fiteny aostrôneziana ao amin' ny zana-bondrom-piteny ôseaniana, atao hoe fiteny pôlineziana, ny Pôlineziana.

Faritra ara-pôlitika

hanova

Amin' ny mponina miisa 5 tapitrisa (ny 4,5 ao Hawaii sy ao Zelandy Vaovao, izay tsy Pôlineziana ny ankamaroany), dia ahitana faritra ara-pôlitika miisa 20 i Pôlinezia.

Firenena mahaleo tena

hanova

Misy firenena manana ny fiandrianam-pireneny miisa fito ny ao Pôlinezia, dia:

Fizaràn-tany tsy mahaleo tena

hanova

Misy fizaràn-tany miankina miisa telo ambin' ny folo koa ny ao Pôlinezia, dia:

Rakotra ranomasina ny 90 % amin' ny velaran' ireo faritra ireo fa ny 10 % fotsiny no tany maina.

I Polynésie française

hanova

I Polynésie française (amin' ny fiteny tahisiana: Pōrīnetia farāni) dia fizaran-tany am-pitan-dranomasina frantsay izay ahitana an' i Tahiti, ny Îles de la Société. Faritra mizakatena i Polynésie française sady manana ny filohany, frantsay, sy ny governemantany. Tsy ny vola euro ihany koa no ampiasainy any fa ny franc CFP.

I Papeete no renivohiny, izay tanàna ao amin' ny nosin' i Tahiti. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy any, ny fiteny tahisiana (Reo Ma'ōhi) dia teny miasa andavanandro miaraka amin' ny fiteny frantsay, izay ampiasaina any am-pianarana.

 
Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Jereo koa

hanova

Fizaràm-paritra any Ôseania:

  NODES
Chat 1
Done 1
see 1