Ny sakamalao na sakamalaho na sakarivo na sakaviro na sakaitany dia zavamaniry manana vahatra, atao hoe taranja na rizôma, izay mitondra ny anaran' ilay zavamaniry ihany koa, fampiasan' ny olona amin' ny sakafo mba hahazoana tsiro mafanafana sy atao fanafody. Ny anarany ara-tsiansa dia Zingiber officinale. Zavamaniry ahitra, maniry isan-taona izy io, ka ny foto-draviny mihorona mitambatra no toa tahony, lahatratra eo amin' ny iray metatra ny haavony, mitondra ravina somary ety. Mitondra voniny manana felana mavo hatsatra sy sisim-nony volomparasy ny vondrom-boniny izay mipoitra mivantana avy amin' ny taranjany eo amin' ny tsimo-drantsana misaraka.

Sakamalao
Sakamalao

Ao amin' ny fianakaviana Zingiberaceae - izay ahitana koa ny tamotamo (Curcuma longa), ny kardamôma (Elettaria cardamomum), ary galanga (Alpinia galanga, Alpinia officinarum, Boesenbergia rotunda, Kaempferia galanga) - ny sakaintany.

Avy any Azia Atsimo-Atsinanana an-dranomasina (amin' ny faritry ny zana-pehintany) ny sakaviro na sakarivo, ary azo inoana fa ny Aostrôneziana no namboly azy voalohany. Nentin' izy ireo namakivaky an' Indô-Pasifika ity karazan-javamaniry ity nandritra ny fielezan' ny Aostrôneziana (5 000 taona lasa tany ho any), ka tonga hatrany Hawaii. Anisan' ny zava-manitra voalohany naondrana avy any Azia ny sakamalao, ka tonga tany Eorôpa niaraka amin' ny varotra zava-manitra, ary nampiasain' ny Grika sy Rômana tamin' ny Andro Taloha. Antsoina matetika hoe sakaintanidia, ny zavamaniry dikôtiledôna mifandray lavitra aminy ao amin' ny vondron-karazana Asarum, noho ny tsirony mitovitovy.

Vonin-tsakamalao

Nampiasaina tamin' ny fitsaboana nentim-paharazana tany Sina sy tany India ary tany Japana nandritra ny taonjato maro ny sakaviro, ary nampiasaina ho fanampin-tsakafo. Tsy misy ny porofo azo antoka amin' ny filazana fa manampy amin' ny fampihenana ny maloiloy sy fandoavana mifandray amin' ny fitondrana vohoka na amin' ny simiôterapia ny sakaviro. Mbola tsy azo antoka raha mahomby amin' ny fitsaboana aretina ny sakaviro, ary tsy nankatoavin' ny Food and Drug Administration (FDA) ny fampiasana ny sakaviro ho fanafody.

Tamin' ny taona 2020 dia nahatratra 4,3 tapitrisa taonina ny famokarana sakaviro eran-tany, ka i India, izay miantoka ny 43 % amin' ny fitambaran' ny famokarana eran-tany, no mitarika amin' izany.

Fambolena sakamalao

hanova
 
Fambolena sakamalao

Tena ilaina amin' ny famokarana sakamalao ny haben' ny taranja na rizôma. Arakaraky ny halehiben' ny taranja no maha haingana ny famokarana ny sakamalao sy ahafahana mivarotra azy haingana eny an-tsena. Alohan' ny hambolena ny rizôma, ny mpamboly dia tsy maintsy mikarakara ny masomboly mba hisorohana ny bibikely mpanimba, sy ny fahalovan' ny rizôma, ary ny aretina hafa mety hafindran' ilay masomboly. Misy fomba isan-karazany ataon' ny Indiana amin' ny fikarakarana masomboly dia ny fandomana ny masomboly amin' ny fangaron-dranoka misy tain' omby, ny fanetrohana ny masomboly alohan' ny fitahirizana azy, ary ny fikarakarana azy amin' ny rano mafana.

Rehefa voakarakara tsara ny masomboly dia tsy maintsy atao vadi-bainga tsara ny tany hambolena azy mba hanorotoroana ny nofon-tany. Aorian' ny vadi-bainga (in-3 na in-4 na in-5 fara-fahakeliny), dia atao mielanelana 18 hatramin' ny 24 m ny lalan-drano hanondrahana ny voly.

Ny fambolena ny rizôma masomboly no dingana manaraka. Any India dia matetika atao eo anelanelan' ny volana Marsa sy Jona ny ny fambolena sakamalao tondrahina amin' ny fitarihan-drano, satria ireo volana ireo no anombohan' ny Varatraza, na ny vanin-taonan' ny orana. Rehefa vita ny fambolena ny masomboly dia manohy manisy lafika bozaka eo amin' ny voly ny tantsaha mba hitehirizana ny hamandoana sy hifehezana ny fitomboan' ny ahi-dratsy ary koa mba hitehirizana ny nofon-tany. Atao ny fametrahana lafika bozaka (ravina maitso ohatra) eo amin' ny sori-boly na talahaka raha vao vita ny fambolena ny masomboly ary averina izany rehefa afaka 45 sy 90 andro aorian' ny fiandohan' ny fitomboana. Aorian' ny fandafihana bozaka dia tonga ny famadibadihana sy ny famakivakiana ny nofon-tany mba hanaraha-maso ny fitomboan' ny ahi-dratsy, hampitsaharana ny hamafin' ny nofon-tany vokatry ny orana, ary mba hitazonana ny hamandoan' ny tany. Tsy maintsy manao izay hahazoan' ny voly sakamalao fanondrahana fanampiny ny tantsaha raha kely ny orana. Any India dia tsy maintsy manondraka ny voly sakamalao amin' ny tari-drano ny tantsaha isaky ny tapa-bolana farafahakeliny eo anelanelan' ny volana Septambra sy Nôvambra (rehefa tapitra ny Varatraza) mba hahazoana vokatra betsaka sy tsara indrindra.

Ny fangadiana no dingana farany amin' ny fambolena sakamalao. Raha ambolena hahazoana vokatra toy ny legioma sy zavapisotro ary vatomamy ny rizôma, dia tokony hatao eo anelanelan' ny efatra sy dimy volana ny fangadiana, fa raha ambolena hahazoana vokatra toy ny sakamalao maina na menaka sakamalao ny rizôma, dia tsy maintsy atao valo ka hatramin' ny folo volana aorian' ny fambolena ny fijinjana.

Anisan' ny malaza indrindra eo amin' ny varotra ny sakamalao maina. Hadina ny rizôma hatao sakamalao maina rehefa matoy tsara (8 hatramin' ny 10 volana). Rehefa avy nalona tamin' ny rano izy ireo dia kikisana amin' ny vakim-bolontsangana na amn' ny antsy hazo ny hodiny ivelany, satria sarotra ny fanaovana izany amin' ny milina. Potipotehina eny amin' ny foibe fanjifana ny rizôma maina. Tsy mila fikarakarana be loatra aorian' ny fihadiana ny sakamalao vaovao, ary hadina izy raha mbola tanora.

Kolontsaina

hanova

Kolontsaina malagasy

hanova

Ohabolana

hanova
  • Sakamalao sy havozo, ka samy mitondra ny hanitra ho azy.
  • Sakamalao tsy mba varotra.

Jereo koa

hanova
  NODES
admin 1