Salamo faha-17
Ny Salamo faha-17 na Salamo 17 dia salamo ao amin' ny Bokin' ny Salamo ao amin' ny Baiboly. Tafiditra ao amin' ny fizaràna atao hoe "boky voalohany" (Sal. 1 - 41) ity salamo ity.
Dikan-teny malagasy
hanovaDikan-teny prôtestanta
hanova1 Fivavak' i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin' ny fivavako avy amin' ny molotra tsy misy fitaka.
2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin' ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
4 Ny amin' ny asan' ny olona, dia ny tenin' ny molotrao no nitandremako tsy ho amin' ny lalan' ny mpanao an-keriny.
5 Ny diako maharitra eo amin' ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
7 Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin' ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon' ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin' ny aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon' ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
11 Manodidina anay amin' ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin' ny tany izahay;
12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
13 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin' ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon' ny ratsy fanahy;
14 Vonjeo amin' ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon' ny olon' izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin' izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an' ny zanany madinika.
15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin' ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
Dikan-teny katôlika
hanovaJereo koa
hanova- Boky voalohany: Sal. 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27 - 28 - 29 - 30 - 31 - 32 - 33 - 34 - 35 - 36 - 37 - 38 - 39 - 40 - 41.
- Boky faharoa: Sal. 42 - 43 - 44 - 45 - 46 - 47 - 48 - 49 - 50 - 51 - 52 - 53 - 54 - 55 - 56 - 57 - 58 - 59 - 60 - 61 - 62 - 63 - 64 - 65 - 66 - 67 - 68 - 69 - 70 - 71 - 72.
- Boky fahatelo: Sal. 73 - 74 - 75 - 76 - 77 - 78 - 79 - 80 - 81 - 82 - 83 - 84 - 85 - 86 - 87 - 89.
- Boky fahefatra: Sal. 90 - 91 - 92 - 93 - 94 - 95 - 96 - 97 - 98 - 99 - 100 - 101 - 102 - 103 - 104 - 105 - 106.
- Boky fahadimy: Sal. 107 108 - 109 - 110 - 111 - 112 - 113 - 114 - 115 - 116 - 117 - 118 - 119 - 120 - 121 - 122 - 123 - 124 - 125 - 126 - 127 - 128 - 129 - 130 - 131 - 132 - 133 - 134 - 135 - 136 - 137 - 138 - 139 - 140 - 141 - 142 - 143 - 144 - 145 - 146 - 149 - 150.
- Salamo apôkrifa: Salamo faha-151 - Salamo faha-152 hatramin' ny faha-155.