Ny taboara na voatavo dia zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae izay avy any amin' ny faritra mafana any Amerika Atsimo. Cucurbita maxima ny anarany ara-tsiansa Ny taboara dia ambolena mba hatao laoka afangaro anana ny voany izay azo hanina rehefa matoy. Izy dia iray amin' ireo karazana voatavo dimy ambolena indrindra.

Taboara na voatavo

Ity karazan-javamaniry ity dia avy any atsimo amin' i Amerika Atsimo (Arzantina, Orogoay). Amin’ ny tany mafana na manana toetany antonony rehetra no ambolena azy.

Taboara na voatavo

Maniry  isan-taona ny taboara ary manana taho lava be sy mafy, mandady, mety mianika, ka mifikitra amin' ny alalan’ ny tangolika eny aminy amin' izay tohana rehetra ikasihany. Ny raviny dia lehibe, feno, miendrika fo, mizara dimy boribory. Ny voniny misy lahimbony sy vavimbony dia miloko volomboasary manopy mavo. Ny voany dia miovaova arakaraka ny karazany, amin’ ny bikany (boribory na somary lavalava, misy dongona, sns), amin’ ny habeny (latsaky ny iray kilao ka hatramin’ ny 200 kg mahery), amin’ ny lokony rehefa matoy (fotsy, mavo, volomboasary, mena, maitso, manga-maitso, sns. Ny nofony dia matevina sy miloko volomboasary-mavo. Ny vihiny somary mivohitra, miendrika atody ary malama dia fotsy sy somary lehibe: 2 hatramin' ny 3 sm ny halavany.

Jereo koa

hanova
  NODES