Tamotamo
Ny tamotamo dia zavamaniry ahitra mamony, maharitra, misy taranjany (fakany misy nofony), vondron-karazana iray amin' ny sakamalao (na sakaitany) ao amin' ny fianakaviana Zingiberaceae, izay misy fakany azo ahahy hahazoana vovony miloko mavo azo andokoana lamba na ampiasaina amin' ny fahandroana sakafo. Curcuma longa ny anarany ara-tsiansa. Miloko mavo matroka ny voniny. Avy any amin' ny Zana-kôntinenta Indiana sy Azia Atsimo-Atsinanana ity zavamaniry ity. Mitaky hafanana eo anelanelan' ny 20 sy 30 °C sy rotsak' orana betsaka isan-taona izy mba haniriany tsara.
Angonina isan-taona ny fakany, ny sasany hampitomboana taranaka azy amin' ny vanim-potoana manaraka ary ny sasany hatao sakafo.
Hita indrindra amin' ny fiainana ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina ao amin' ny Zana-kôntinenta Indiana ny tamotamo, izay singa fototra ao amin' ny kary, satria heverina ho zavamaniry miavaka noho ny toetrany maro (zava-manitra, fitehirizana sakafo, fandoko, akora fikarakaram-batana ary fanafody). Miely patrana any Azia Atsimo-Atsinanana hatramin' ny fahagola, ny tamotamo anaovana fikarohana siantifika maro eran' izao tontolo izao, mba hahatakarana tsara ny toetrany ara-tsakafo sy ara-pitsaboana. Manan-danja ihany koa eo amin' ny lafiny ara-toekarena ho an' i India, izay mpamokatra azy lehibe indrindra manerantany, ary koa ho an' ny firenena mpamokatra maro hafa, ny tamotamo.
Ny taranjan' ny tamotamo dia ampiasaina amin' ny izy mbola vaovao na ampangotrahina anaty rano sy hamainina, avy eo dia totoina hanjary vovony mivolom-boasary mavo matroka, izay matetika ampiasaina hahamanitra sakafo amin' ny nahandro aziatika maro, indrindra ny kary, ary koa ho fandoko noho ny fisian' ny korkominina (anglisy: curcumin) izay singa lehibe ao aminy. Manana tsiro mafanafana, somary mangidy, toy ny dipoavatra mainty ary manana fofona toy ny voantsinapy, ny vovo-tamotao.
Ankatoavin' ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Fahasalamana (OMS) sy ny Antenimiera Eorôpeana ary ny Food and Drug Administration (FDA) any Etazonia ny fampiasana ny korkominina, izay vokatra simika mavo manjelatra avy amin' ny tamotamo. Na dia efa ela aza no nampiasaina azy tamin' ny fitsaboana aiorvedika (fitsaboana nentim-paharazana indiana) dia tsy misy porofo siantifika avo lenta milaza fa mahasitrana aretina ny fihinanana tamotamo na korkominina.
Toetoetrany sy fambolena azy
hanovaZavamaniry afaka velona mihoatra ny roa taona ny tamotamo. Misy ravina fohy ary mety hahatratra iray metatra ny haavony. Manana fakany na taranja maoaka fofona manitra, salavalava na miendrika varingarina maro izy, mavo mankamin' ny volomboasary ny ao anatiny. Mifandimby sy mizara laharana roa ny raviny izay mivelatra lehibe, boribory lava na salavalava, ary mitovy endrika amin' ny lela-lefona. Maitso mitovy izy ireo, ary mahatratra hatramin' ny 50 sm ny halavany ary 7 hatramin' ny 25 sm ny sakany.
Mahatratra 20 sm ny sofiny. Tsy mety mamoaka voa ny voniny, fa ny fanaovana tsatoboly ny fakany no ahafahany mitombo taranaka. Tsy mahazaka tany be rano sy mila tara-masoandro be ary tany lonaka ny tamotamo. Mety indrindra amin' ny faritra andalovan' ny rivotra Varatraza sy ny ala mikitroka toy ny alan-karatsaka (Tectona grandis) izy.
Manavaka ny afovoan' ny fakan-tamotamo, antsoina hoe reny tamotamo, amin' ny rantsam-pakany izay manomboka amin' io fakany afovoany io ny mpamboly. Ampiasaina kokoa amin' ny fanafody ny reny tamotamo, fa ny rantsany kosa ampiasaina amin' ny sakafo.
Azo atomboka ny fiotazana tamotamo rehefa manomboka maina ny tahony, eo amin' ny fito na valo volana aorian' ny fambolena. Esorina amin’ ny tany ny fakany ary avela ora vitsivitsy mba hahamarin-toerana ny hamandoana ao anatiny. Avy eo atao ny fifantenana sy ny fanadiovana amin' ny rano (aroboka anaty rano, haroharoina anaty rano na tondrahana rano).