Ny Tsôkoe (Chokwe) dia vondrom-poko banto ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika sy ao Afrika Afovoany. Ao Angôla sy any amin’ ny faritra atsimo-andrefana amin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô (avy any Kinshasa ka hatrany Lualaba), ary any amin’ ny faritra avaratra-andrefana amin’ i Zambia no tena ahitana azy ireo. Ireto koa ny anarana ahafantarana azy io: Kiôkô (Kioko), Bajôkoe (Bajokwe), Tsibôkoe (Chibokwe), Kibôkoe (Kibokwe), Siôkoe (Ciokwe), Kôkoe (Cokwe) na Bajôka (Badjok).

Misy fizaran-taona roa miavaka mitranga ao amin' ny faritra onenan' ny Tsôkôe: vanim-potoanan' ny orana eo anelanelan' ny volana Ôktôbra sy Avrily, ary vanim-potoana maina mandritra ny fotoana sisa amin' ny taona. Nisy fiantraikany goavana teo amin’ ny fiainana eny ambanivohitra izany toetrandro izany; ny Tsôkôe dia niompy, nihaza, nanjono ary nanorina trano arakaraka ny fiovan' ny fizaran-taona.

Manana karazana zavakanto isan-karazany ny Tsôkkoe ary maro ny santionany mbola hita any amin' ny tranombakoka any ivelany.

Tombanana ho 1,3 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny Tsôkoe. Ny fitenin' izy ireo dia matetika antsoina hoe fiteny tsôkôe (na kitsôkoe), izay fiteny banto ao amin' ny sampana benoe-kôngô ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley.

Maro amin' ny Tsôkoe koa no miteny amin' ny fiteny ôfisialin' ny firenena misy azy: ny fiteny anglisy ao Zambia, ny fiteny frantsay ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ary ny fiteny pôrtogey any Angôla.

Jereo koa

hanova
  NODES