Ny Ôgoza na Ôgozy (Oğuzlar) dia kônfederasiôna nonina tany avaratry ny Ranomasina Aral any Kazakstàna ankehitriny. Nandritra ny fifindran' ny Vahoaka Torkika tamin' ny taonjato faha-10 sy faha-12 dia anisan' ireo Vahoaka Torkika tao amin' ny faritry ny Ranomasina Kaspiana izy ireo izay nifindra monina nianatsimo sy niankandrefana nankany Azia Andrefana sy Eorôpa Atsinanana, fa tsy niantsinanana nankany Siberia.

Vehivavy torkmena any Torkestàna

Heverina ho razamben' ny Vahoaka Torkika andrefana môderina izy ireo: dia ny Azery, ny Tiorkan' i Torkia, ny Torkmena, ny Kaskay, ny Torkikan' i Khorassan sy ny Gagaoza (amin' ny fiteny tiorka taloha: Gök Oğuz: Ôgoza Manga na Ôgozan' ny Lanitra), izay mihoatra ny 100 tapitrisa isa raha mitambatra.

Jereo koa

hanova
  NODES
Done 1