Ny fahalalana dia fahatsapana amim-pahatsiarovan-tena ny zava-misy, na fifankazarana amin' ny olona sy amin' ny toe-javatra, na fahaiza-manao azo ampiharina. Ny fahalalana ny zava-misy, izay atao hoe fahalalana ara-pehezankevitra (fahalalana ampitaina amin' ny alalan' ny teny na izay mahasolo ny teny), dia matetika aseho ho finoana marina na finoana tena izy izay miavaka amin' ny fiheverana na vinavina noho ny fanamarinana. Na dia eo aza ny fifanarahan-kevitra lehibe eo amin' ny filôzôfa fa endriky ny finoana tena izy ny fahalalana ara-pehezankevitra, dia adihevitra maro no mifantoka amin' ny fanamarinana. Anisan' izany ny fanontaniana toy ny hoe ahoana no ahatakaraka ny atao hoe fanamarinana, na tena ilaina tokoa ve izany, na raha misy zavatra hafa ilaina ankoatra izany. Nihamafy ireo adihevitra ireo tamin' ny antsasany farany amin' ny taonjato faha-20 noho ny andiana fanandramana an' eritreritra antsoina hoe "olan' i Gettier" (fanoherana ny famaritana ny fahalalana ho finoana tena izy voamarina) izay niteraka famaritana hafa.

Ny taovam-pandrenesana dimy

Ny fahalalana dia azo vokarina amin' ny fomba maro. Ny tena loharanon' ny fahalalana ara-panandramana dia ny fahatsapana, izay ahitana ny fampiasana ny fitaovam-pandrenesana mba hianarana momba ny tontolo ivelany. Ny fandinihan-tena dia ahafahan' ny olona mianatra momba ny toetry ny sainy (fahatsapana fanaintainana, fahafinaretana, faniriana, fihetseham-po ana) sy ny dingam-pizorana ao anaty. Ny loharanon-pahalalana hafa dia ahitana ny fitadidiana, ny tsindrimandry lôjika, ny fanatsoahan-kevitra ary ny fijoroana ho vavolombelona. Araka ny fiheveran' ny olona sasany, ny sasany amin' ireo loharanom-pahalalana ireo dia fototra satria afaka manamarina ny finoana, tsy miankina amin' ny toetran' ny saina hafa (fôndasiônalisma). Mitsipaka izany kosa ny hafa izay milaza fa ny firindrana ampy eo amin' ny toetra ara-tsaina rehetra ananan' ilay mpino dia ilaina ho an' ny fahalalana (kôherentisma). Misy koa ny milaza fa ilaina ny rojom-pinoana tsy manam-petra (infinitisma).

Ny taranja lehibe manadihady momba ny fahalalana dia ny epistemôlôjia, izay mandalina ny zavatra fantatry ny olona, ​​ny fomba ahafantarany izany, ary ny dikan' ny hoe "mahalala zavatra". Io taranja io dia miresaka momba ny lanjan' ny fahalalana sy ny tsangan-kevitra momba ny filôzôfian' ny skeptisisma (fisalasalana), izay manontany ny mety hisian' ny fahalalana. Ny fahalalana dia manan-danja amin' ny sehatra maro toy ny siansa, izay mikendry ny hahazo fahalalana amin' ny alalan' ny fomba fiasa siantifika mifototra amin' ny andrana miverimberina, ny fandinihana ary ny fandrefesana. Ny fivavahana isan-karazany dia milaza fa tokony hikatsaka fahalalana ny olombelona ary Andriamanitra na ny andriamanitra no loharanon' ny fahalalana. Ny antrôpôlôjian' ny fahalalana dia mandalina ny fomba ahazoana fahalalana, ny fitahirizana izany, ny fakana ary fampitana izany ao amin' ny kolontsaina samihafa. Ny sôsiôlôjian' ny fahalalana dia mandinika araka ny toe-javatra ara-piarahamonina aman-tantara izay misy ny fahalalana, sy ny mety ho voka-dratsiny eo amin' ny fiarahamonina. Ny tantaran' ny fahalalana dia manadihady ny fomba nivoaran' ny fahalalana ao amin' ny sehatra samihafa, sy ny fivoarany, nandritra ny tantara.

Jereo koa

hanova
  NODES
os 3