Faritra Mizaka Tenan' i Tibet

Ny Faritra Mizaka Tenan' i Tibet na Faritra Mizaka Tenan' i Xizang, izay ataohoe Tibet na Xizang, izay noforonina tamin' ny tanoa 1965, dia iray amin' ny faritra mizaka tena dimy ao amin' ny ilany atsimo-andrefan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina.

Faritra Mizaka Tenan' i Tibet

Miifanakaiky aminy ny Faritra Mizaka Tenan' i Xinjiang any avaratra, ny Faritanin' i Qinghai any avaratra-atsinanana, ny Faritanin' i Sichuan any atsinanana, ary ny Faritanin' i Yunnan any atsimo-atsinanana. Manamorona an' i Mianmara, an' i India, an" i Botàna ary an' i Nepaly any atsimo sy andrefana io faritra mizaka tena io. Ny Tibetana no vahoaka betsaka monina ao, nefa hita ao koa ny foko hafa toa ny Mônpa sy ny Lhoba. Ny Han sy ny Hui maro koa dia mipetraka any. I Lhasa, izay renivohitr' i Tibet taloha hatramin' ny taonjato faha-17, no renivohiny. Ankehitriny dia misy mponina manodidina ny 3 000 000 ilay faritra.

  NODES
os 1