Ny firapotsy dia singa ara-tsimia mitondra ny laharana 50 araka ny ny firaketan' i Mendeleiev, sy ny eva Sn (avy amin' ny teny latina hoe Stannum). Mitsonika ny firapotsy rehefa mahatratra 232 °C ny fahanany, ary mangotraka rehefa mahatratra 2 260 °C. Manana hakitroka 7,28 izy.

Takelaka firapotsy manana fahadiovana 99,9 %

Ny firapotsy no singa faha-49 be indrindra ao amin' ny nofon-tany. Izy io dia misy amin' ny endrika kristaly roa lehibe: firapotsy volondavenona (tsy metaly) ary firapotsy fotsy (metaly). Amin' ny mari-pana an' ny efitrano dia metaly fotsy toa volafotsy ny firapotsy, malemy, tsy dia mety roritina, nefa mora volavolaina. Ny lanja atômikany dia 118,69. Mora lanin' ny asidra mahery izy. Amin' ny hafanana ambanin' ny 13 °C, ny firapotsy dia misy amin' ny endrika volondavenona, vovoka tsy misy endrika, manana hakitroka 5,75. Manakaiky ny 13,2° C ny mari-pana amin' ny fiovan' ny firapotsy fotsy ho lasa firapotsy volondavenona. Miadana io fiota io ary miteraka pentina firapotsy volondavenona. Mba hisorohana izany fiovana izany dia asiana antimoanina na firamainty amin' ny fatrany bitika ny firapotsy.

Firapotsy faninginana

Ny firapotsy dia efa fantatra hatramin' ny Andro Taloha, nampiasaina mba hiarovana ny lovia amin' ny harefesina sy hanomanana ny alimo. Mbola ampiasaina amin' izany tanjona izany sy amin' ny faninginana ny firapotsy. Tsy dia misy poizina loatra io singa io. Tsy fahita firy eny amin' ny natiora ny firapotsy fa alaina indrindra avy amin' ny mineraly antsoina hoe kasiterita izay ahitana azy amin' ny endrika ôksida SnO2.

Jereo koa

hanova
  NODES
os 3