Fivavahana ao Oganda

Ny fivavahana ao Oganda dia ahitana ny kristianisma, izay fivavahana manjaka ao, ny fivavahana silamo, ny fivavahan-drazana afrikana ary ny fivavahan'ireo mpiavy avy any amin'ny firenen-kafa.

Ny kristianisma

hanova

Tamin’ny taona 2014 dia ny 82,4 %n’ ny mponina ao Oganda dia Kristiana: ny 39,3 % Katôlika, ny 32,0 % Anglikana, ny 11,1 % Pentekôtista, ny 1,7 % Adventista, ny 0,3 % Batista, ny 0,1 % Ôrtôdôksa.

Ny fivavahana silamo

hanova
 
Moske Kibuli ao Kampala

Ny 13,7 %n’ ny Ogandey dia Miozolmàna. Mikambana ao amin’ ny Fikambanam-piaraha-miasa islamika (arabo: منظمة التعاون الإسلامي / Munaẓẓamat at-Taʿāwun al-islāmī; angl.: Organisation of Islamic Cooperation; fr.: Organisation de la Coopération Islamique) i Oganda.

Ny fivavahan-drazana

hanova

Ny 0,1 % n’ny mponina ao Oganda no manaraka fivavahan-drazana. Be dia be anefa ireo Kristiana na Miozolmàna ogandey mampifangaro finoana ka mbola manaraka ny finoan-drazana afrikana, na manao ny fombafomba sasany momba izany, toy ny fanaovana sorona ho an’ ny fanahin’ ireo olona efa maty.

Fivavahana hafa

hanova

Ahitana fivavahana toy ny jodaisma, ny hindoisma, ny finoana bahay ary ny bodisma.

Jereo koa

hanova
  NODES