Ny isa aljebrika, ao amin' ny matematika, dia isa voatsapa na isa haro izay vahan' ny fampimirana maromiantoana manana lanjanisa avy amin' ny vondron' ny isa voasaina (izany hoe fakan' ny maromiantoana tsy mira aotra, misy lanjan' isa voasaina).

Isa aljebrika ny isa tsimivaky sy voasaina, toy izany koa ny fakan' ny isa rehetra. Antsoina hoe isa mihoadraha ny isa voatsapa na isa haro izay tsy aljebrika, toy ny π sy e (teôreman' i Lindemann-Weierstrass). Ampahany amin' ny teôrian' i Galois ny fandalinana ireo isa ireo sy ny maromiantoan' izy ireo kely indrindra ary ny vondrona misy azy ireo.

Ohatra:

  • Aljebrika ny isa vosaina, na inona na inona, satria vahan' ny fampimirana x - a = 0.
  • Mety ho aljebrika na tsia ny isa tsivoasaina. Ohatra, ny √2 na (3√3)/2 dia aljebrika (satria vaha ao amin' ny x2 - 2 = 0 sy 8x3 - 3 = 0 tsirairay avy), fa mihoadraha kosa ny isa e (izany hoe tsy aljebrika).
  • Aljebrika ny isa i satria io no vaha ao amin' ny fampimirana x2 + 1 = 0.
  • Mihoadraha ny isa π + i, fa tsy fantatra kosa ny toetran' ny π + e.

Jereo koa

hanova
  NODES
os 4