Madilo

Karazan-java maniry

Ny madilo na kily na madiro dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, sy ao amin' ny zana-karazana Caesalpinioideae, misy voany azo hanina izay zanatany aty Afrika trôpikaly. Atao hoe Tamarindus indica ny anarany ara-tsiansa. Io no hany karazana ao amin' ny ao amin' ny vondron-karazana Tamarindus.

Kily na madilo na madiro

Ny kily na madiro dia karazan-kazo maniry amin' ny faritra trôpikaly maina aty Afrika Atsinanana. Efa hatry ny elabe no nambolena azy tany Azia Atsimo ka avy any no niparitahany amin' ny faritra trôpikaly rehetra. Nisy vitsivitsy nampidirina tany Amerika Afovoany tamin' ny taonjato faha-16 ka miparitaka ao Meksika sy ao Hôndorasy ary Goatemala io hazo io amin' izao fotoana izao. Eto Madagasikara, indrindra ao amin' ny faritra nentim-paharazana misy ny Sakalava, dia heverina ho hazo masina ny kily na madiro, izay atao hoe "mpanjakan' ny hazo".

Voamadilo

Hazo mety mahatratra 10 m hatramin' ny 20 m ny kily. Fohifohy ny vatany. Miadam-paniry izy sady velona maharitra ela. Maharitra ny raviny izay miisa hatramin' ny 24 isaky ny tahon-dravina. Manopy mavo ny voniny izay maniry midina amin' ny volana Mey ka mamoaka voa makirana amin' ny volana Ôktôbra.


  NODES
Done 1