Palestina (faritra)
I Palestina dia faritra ara-tantara sy ara-jeôgrafia ao Atsinanana Akaiky izay eo anelanelan' ny Ranomasina Mediteranea sy ny tany efitra ao atsinanan' i Jôrdania sy ao avaratr' i Sinay (na Sinaia). Efa hatramin' ny taonjato faha-5 tal. J.K. no nahalalan' i Herôdôtôsy ny anarana hoe Palestina, nefa ny emperora Hadriano tamin' ny taonjato faha-2 no nanome izany anarana izany amin' ny fomba ôfisialy an' io faritra io mba hamaizany ny Jiosy (na Jody) tamin' ny fikomiana nataon' izy ireo tamin' ny taona 132-135 taor. J.K.
Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Palaestina, avy amin' ny anarana grika hoe Παλαιστίνη / Palaistínê, amin' ny teny arabo izy dia atao hoe فلسطين / Falistīn, ary amin' ny teny hebreo dia פלשתינה / Palestīna.
Tsy voafaritra mazava ny faritra tondroina amin' ny hoe Palestina. Ny ivony dia ao amin' ny faritr' i Galilea sy i Samaria ary i Jodea (na Jodia). Ny fetrany ao avaratra dia i Foinikia (na Fenisia) sy ny tendrombohitra Libàna (na Libanona) ary ao atsimo i Filistia sy i Idomea. Tamin' ny vanim-potoan' ny Kroazada dia miankina aminy i Perea ao avaratra-atsinanan' ny Ranomasina Maty sy i Batanea ary i Dekapôlisy any ampitan' ny ony Jordàna. Mety ilay faritra ao andrefan' i Jordana fotsiny ihany i Palestina. Nampiasaina koa ho solon' ny hoe Tanin' i Israely ny teny hoe Palestina.
Ny faritr' i Palestina ankehitriny dia mahafaoka ny Fanjakan' i Israely ankehitriny, ny fizaran-tany palestiniana (Palestina) voabodo, ny Salavan-tanin' i Gaza ary indraindray koa ny ampahan' ny fanjakan' i Jôrdania, i Libàna Atsimo ary ny Lembalemban' i Golàna.
Ara-tantara dia mifanandrify amin' i Kanaana sy ny Tanin' i Israely sady nikambana tamin' ny faritr' i Siria (Siria-Palestina) i Palestina. Araka ny lovantsofin' ny fivavahana abrahamika dia i Palestina no ilay Tany nampanantenaina ny Zanak' i Israely, Tany Masin' ny kristianisma sy ny finoana silamo.
Jeôgrafia
hanovaNy vohon' ny tany
hanovaNy vohon' ny tany ao amin' ny faritr' i Palestina dia ahitana endrika samihafa sady mitsinjara ho faritra efatra mirazotra amin' ny morontsiraka. Avy any andrefana miantsinana no ahitana ny lemaka amorontsiraka sy ny havoana ary ny tendrombohitr' i Galilea, ny tendrombohitr' i Samaria, ny Tendrombohitr' i Jodea, ny Lohasahan' i Jordana ary ny lembalemba ao atsinanana. Ao amin' ny farany atsimo no misy an' i Negev izay taniefitra karankaina. Eo anelanelan' ny 390 m ambanin' ny haavon' ny ranomasina eny amoron' ny Ranomasina Maty, izay toerana ambany indrindra eto ambonin' ny tany, sy 1 016 m eo an-tampon' ny tendrombohitr' i Hebrôna izany. Ahitana faritra lonaka, izay manome ny loharanon-karena, io faritra io: ny fantatra indrindra dia ny Lemak' i Sharon, izay manamorona ny morontsirak' i Mediteranea, sy ny Lemak' i Jezreel (izay atao hoe Lemak' i Esdrelon koa), izay lohasaha ao avaratry ny Tendrombohitr' i Samaria sy manamorona an' i Galilea Ambany.
Ny rano
hanovaKely dia kely ny famatsian-drano ao amin' ny faritr' i Palestina ary amin' ny ririnina no ahitana indrndra ny rotsak' orana mahalam-piavy. Mikoriana mianatsimo sy mandalo ao amin' ny Farihy Tiberiada na Farihy Tiberiasy), izay hany farihin-dranomamy ao amin' ilay faritra, i Jordana, izay ony lehibe indrindra any, alohan' ny hivarinany any amin' ny Ranomasina Maty.
Tantara
hanovaTalohan' ny Fanjakan' i Israely
hanovaNy Kananita (na Kananeana) no mponina voalohany fantatra tao Palestina. Nandritra ny taonarivo fahatelo tal. J.K. dia lasa niorim-ponenana izy ireo ary nanorina tanàn-dehibe maro ka anisan' izany i Jerikô. Namolavola abidy izay niavian' ny abidy maro hafa izy ireo. Nisy fiantraikany lehibe tamin' ny finoana sy ny ao amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo ny fivavahany.
Lalana fiampitana eo anelanelan' i Azia sy i Afrika Atsinanana i Palestina izay eo am-pihaonan' ny lalana mampifandray kôntinenta telo (Eorôpa sy Azia ary Afrika). Nahatonga azy ho fihaonan' ny singa avy amin' ny fivavahana sy kolontsain' i Ejipta, ny an' i Siria, ny an' i Mesôpôtamia ary ny an' i Azia Minora (na Anatôlia) ny toerana misy azy. Tany fiadian' ny firenena natanjaka manodidina i Palestina izay nanjakazakan' ny empira mpifanolo-bodirindrina aminy, indrindra fa i Ejipta tamin' ny taonarivo fahatelo tal. J.K.
Ny fanjakazakan' ny Ejipsiana sy ny fizakan-tenan' i Kanaana dia matetika nosembantsembanin' ny firenena sy vahoaka isan-karazany toy ny Amôrita (na Amôreana) sy ny Hitita (ana Heteana) ary ny Horita (na Horeana) nandritra ny taonarivo faharoa tal. J.K. Resin' ny Ejipsiana anefa ireto mpanani-bohitra ireto ka nifangaro amin' ny Kanaanita taty aoriana. Rehefa nihanalemy ny fahefan' i Ejipta tamin' ny taonjato faha-14 tal. J.K. dia nipoitra indray ny mpanani-bohitra vaovao: ny Hebreo, izay vondrom-pokom-pirenena semita avy any Mesôpôtamia, sy ny Filistina (niavian’ ny anaran' ilay faritra), izay vahoaka avy any amin' ny Ranomasina Egea anisan' ny vahoaka indô-eorôpeana.
Ny Fanjakan' i Israely tamin' ny Andro Taloha
hanovaNy Hebreo dia angamba niorim-ponenana tao amin' ny faritr' i Palestina talohan' ny nanafahan' i Mosesy (na Môizy) ny vahoakany tamin' ny fanandevozana sy nitondrany azy hiala an' i Egipta (tokony tamin' ny taona 1270 tal. J.K.). Nihaniorim-ponenana tao amin' ny tany be tendrombohitra ny Zanak' i Israely, izay fitambarana fokom-pirenena hebreo, nefa tsy afaka naka ny tany rehetra tao amin' ny faritr' i Palestina.
Ankoatry ny ady nifanaovany tamin' ny Kananita dia voatery niady tamin' ny Filistina sy ny Môabita koa ny Israelita. Nahatsiravina ny ady nifanaovany tamin' ny Filistina. Nanorina fanjakana mahaleo tena tao amin' ny morontsiraka andrefan' i Palestina ny Filistina sady nifehy tanàna maro ao avaratra sy ao atsinanana. Nanan-tombo ny Filistina teo amin' ny fandaminana ny tafika sy tamin' ny fananany fitaovam-piadiana vita amin' ny vy ka resiny tamin' ny fomba miezinezina ny Israelita tamin' ny taona 1050 tal. J.K. Voatery nitambatra sy nanangana fanjakana tokana ny fokom-pirenena israelita mba hiatrehana ny Filistina. Taorian' izany, tamin' ny taona 1000 tal. J.K., i Davida, mpanjakan' i Israely, dia nandresy ny Filistina izay nanomboka nifangaro tamin' ny Kananita taty aoriana.
Ny firaisan-kinan' ny fokom-pirenen' i Israely sy ny fahalemen' ny empira vitsivitsy mifanila aminy dia nahafahan' i Davida nanangana fanjakana mahaleo tena, ka i Jerosalema no nataony renivohitra. Tamin' ny fanjakan' i Sôlômôna zanaka mpandimby an' i Davida dia nandry fahalemana sy niroborobo ny toekaren' ny Fanjakan' i Israely, nefa torian' ny fahafatesany tamin' ny taona 931 tal. J.K. dia nizara roa ilay fanjakana ka niforona ny Fanjakan' i Samaria (izay nantsoina hoe Fanjakan' i Israely ihany koa) tao avaratra sy ny Fanjakan' i Jodà tao atsimo.
Rehefa afaka nanitatra ny taniny indray ny empira manodidina dia tsy afaka niaro ny fahaleovan-tenany intsony ny Israelita ka resin' ny Asiriana tamin' ny taona 722-721 tal. J.K. sady nofeheziny. Tamin' ny taona 586 tal. J.K., ny Fanjakan' i Jodà (izay lasa nantsoina hoe Jodea na Jodia taty aoriana) dia resin' ny Babilôniana izay nandrava an' i Jerosalema sy nanao sesitany ny ankamaroan' ny Hebreo izay nonina tao.
I Palestina nandritra ny Empira Persiana
hanovaNandritra ny Empira Persiana dia nahazo alalana hihazona ny maha firenena azy sy ny fivavahany ny Hebreo natao sesitany (izay lasa nantsoina hoe Jodeana na Jiosy). Nampandrina antsoratra nandritra izany fahababoana izany ny sasany amin' ny lahatsoratra ara-teôlôjia sy ny boky sasany ao amin' ny Tanakh (Testamenta Taloha ho an' ny Kristiana). Tsy nanadino ny tanin' i Israely anefa izy ireo. Rehefa nandresy an' i Babilôna tamin' ny taona 539 tal. J.K. i Kirôsy Lehibe dia nanome alalana ny Jiosy hiverina any Jodea (ny Fanjakan' i Jodà taloha) izay lasa iray amin' ny distrika tao Palestina.
Tamin' ny fanapahan' ny Persiana dia nahazo fizakan-tena lehibe ny Jiosy. Natsangan' izy ireo indray ny mandan' i Jerosalema ary nalaminy ny Lalàn' i Mosesy izay atao hoe Torah, izay lasa fehezan-dalàna natao hotandremana amin' ny fiainana andavanandro sy amin' ny fiainana ara-pivavahana. Nivavaka amin' andriamanitra tokana (mônôteista) izay misahana an' izao rehetra izao ny Jiosy (na Jody) izay nino fa mifamatotra amin' io andriamanitra io amin' ny alalan' ny fanekem-pihavanana. Nantsoina hoe IHVH (na YHWH) izany andriamanitry ny Jiosy izany.
I Palestina lasa faritany rômana
hanovaVoasolon' ny Grika ny Persiana tao Palestina rehefa nandresy azy ireo tao amin' ilay faritra sy naka azy hanjakany i Aleksandra Lehibe tamin' ny taona 333 tal. J.K. Ny mpandimby an' i Aleksandra, izay tarana-mpanjaka lagida (na Lazida) tao Ejipta sy ny Seleokida (na Seleosida) tao Siria dia nanohy ny fifehezana an' ilay faritra. Niezaka nampajaka ny kolontsaina sy ny fivavahana helenista teo amin' ny vahoakan' ilay faritra ny Seleokida. Tamin' ny taonjato faharoa tal. J.K. anefa dia nipoaka ny fikomian' ny Jiosy notarihin' ny Makabeo. Nahatsangana fanjakana mahaleo tena izy ireo tamin' ny taona 141 tal. J.K. ka tsy rava izany fanjakana izany raha tsy tamin' ny taona 63 tal. J.K. izay nandresen' i Pômpeio Lehibe, jeneraly rômana, an' i Palestina, izay lasa faritany rômana navela hotapahin' ny mpanjaka jiosy. Tamin' ny fanapahan' ny mpanjaka Herôda Lehibe (taona 37 ka hatramin' ny 4 tal. J.K.) no teraka i Jesoa Kristy.
Nisy indray ny fikomian' ny Jiosy izay nofaizin' ny Rômana mafy, ka ny voalohany (fikomiana lehibe nataon' ny Jiosy) dia nitranga tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 73 taor. J.K. fa ny faharoa (fikomiana notrihin' i Bar Kokhba) dia nitranga tamin' ny taona 132 hatramin' ny 135 taor. J.K. Taorian' ny fikomiana faharoa dia maro ny Jiosy novonoina na namidy ho andevo, ary voarara tsy hiditra ao Jerosalema ny Jiosy. Nahazo anarana vaovao i Jodea (na Jodia) ka nantsoina hoe Siria-Palestina.
Nanintona ny emperora Kônstantino I manokana i Palestina. Nomeny sata ara-dalàna ny fivavahana kristiana tamin' ny taona 313 taor. J.K. tamin' ny alalan' ny Didin' i Milano. Ny reniny atao hoe Helena dia nitsidika an' i Jerosalema. Lasa ivon' ny fivahihiana masina ho an' ny Kristiana i Palestina izay nantsoina hoe Tany Masina. Nanaraka an' izany ny fandrosoana ara-toekarena sy ny ara-pôlitika ary ara-kolontsaina. Nandray ny helenisma sy ny kristianisma ny ankamaroan' ny mponina. Ny fanjakazakan' ny Rômana (sy ny Bizantina fotoana fohy) dia tapaka vetivety noho ny fibodoan-tany nataon' ny Persiana (taona 614 hatramin' ny 629 taor. J.K.). Ny fanjakazakan' ny Bizantina dia nifarana tamin' ny nidiran' ny tafika arabo tao amin' ilay faritra sy ny nahazoany an' i Jerosalema tamin' ny taona 638 taor. J.K.
Ny kalifata arabo
hanovaNanamarika ny fiandohan' ny taonjato telo ambin' ny folo nanjakazakan' ny Mozilmana tao amin' ny faritr' i Palestina ny fandresen' ny Arabo. Nahazo ny anarana arabo hoe فلسطين / Filastīn i Palestina. Tany Masina koa no fiantsoan' ny Mozilmana an' i Palestina satria ataon' i Mohamady ho qibla[1] voalohany i Jerosalema. Amin' ny lovantsofina mozilmana dia niakatra any an-danitra avy eo amin' ny toerana misy ny Tempolin' i Sôlômôna i Mohamady, izay toerana nanamboarana taty aoriana ny Trano Bory Tafon' ny Vatolampy (na Môskean' i Omar). Lasa tanàna masina fahatelo ho an' ny finoana silamo i Jerosalema.
Tsy nanery ny Palestiniana hanaraka ny fivavahany ny Mozilmana ka maherin' ny taonjato iray vao niova finoana ho amin' ny fivavahana silamo ny ankamaroan' ny Palestiniana. Noheverin’ ny Mozilmana ho "Olon' ny Boky" ny Jiosy sy ny Kristiana. Nahazo fizakan-tena ny vondrom-piarahamonina nisy azy ireo sady nahazo fiarovana sy fahalalahana ara-pivavahana koa. Mahalana eo amin' ny tantaram-pivavahana izany fandeferana ara-pivavahana izany. Nandray ny kolontsaina silamo sy arabo ny ankamaroan' ny Palestiniana. Nanararaotra ny firoborobon' ny varotra sy ny toerana ara-pivavahan' ny kalifata (empira mozilmana) nandritra ny tarana-mpanjaka voalohany (ny Omeiada tao Damaskôsy na Damasy) izy ireo. Rehefa lasan' ny Abasida tao Bagdad ny fahefana tamin' ny taona 750 dia tsy nisy mpiraharaha firy i Palestina. Vanim-potoana tsy nilamina, izay nifandimbiasan' ny fanjakan' ny Seljokida sy ny Fatimida ary ny Kroazada avy ao Eorôpa izany. Nahazo anjara amin' ny voninahitry ny sivilizasiôna silamo anefa i Palestina tamin' ny niroboroboan' ny siansa sy ny zavakanto sy ny filôzôfia ary ny literatiora. Nitahiry ny fahalalan' ny Grika ny Mozilmana sady nampandroso indray ny sehatry ny fahalalana, izay nanampy ny Renaissance tao Eorôpa taorian' izay. Sahala amin' ny sisa amin' ny empiran' ny Mameloka dia tsy nisy fandrosoana i Palestina ary avy eo dia nihen-danja.
Ny Empira Tiorka
hanovaNandresy ny Mameloka tamin' ny taona 1517 ny Tiorka Ôtômana tao Azia Minora (na Anatôlia) ka nanjakazaka tamin' i Palestina hatramin' izay ka hatramin' ny ririnin' ny taona 1917-1918 na teo aza ny fotoana maromaro nahatapahan' izany. Nizara ho distrika (tiorka: سنجاق / sanjak) maro ilay faritra ka anisan' izany i Jerosalema. Ny fitantanana ity distrika ity, amin' ny ankapobeny, dia teo am-pelan-tanan' ny Palestiniana izay taranaky ny Kananita (na Kananeana) sy ny mpanjana-tany nifandimby, nandray kolontsaina arabo. Na izany aza dia nahazo fizakan-tena lehibe ny vondrom-piarahamonina kristiana sy jiosy. Nahazo tombony tamin' ny Empira Ôtômana i Palestina nandritra ny taonjato faha-16, nefa nitontongana niaraka amin' ny sisa tamin' ilay empira nandritra ny taonjato faha-17. Nahakasika ny varotra sy ny fambolena ary ny isan' ny mponina izany fitontonganana izay nitohy hatramin' ny taonjato faha-19 izany. Tamin' io vanim-potoana io dia nanorina toby tao Atsinanana Afovoany ny firenena matanjaka eorôpeana izay nitady akora fanodina sy noho ny antony ara-stratejia. Nanainga indray ny fandrosoana ara-toekarena sy ara-tsôsialy tao amin' ilay faritra izany toe-javatra izany. Teo anelanelan' ny taona 1831 sy 1840 dia nanitatra ny fanjakany hatrany amin' ny faritr' i Palestina i Mehmet Ali mpanjaka lefitra tao Ejipta. Nanova ny rafitra tompomenakely sy nampandroso ny fambolena ary nanatsara ny fampianarana ny fepetra ara-pôlitika isan-karazany noraisiny. Namerina indray ny fahefany tamin' ny taona 1840 sy nanao fanavaozana hafa isan-karazany ny Empira Ôtômana. Tamin' ny taompolo 1880 dia nitondra milina môderna sy renivola ho an' ny fampandrosoana an' ilay faritra ny voanjo alemàna sy ny mpifindra monina jiosy.
Tamin' ny taonjato faha-19 dia namporisika ny Jiosy eorôpeana hitady toerana honenana any amin' ny Tany Nampanantenaina, izany hoe i Palestina, ny fiakaran' ny nasiônalisma (fanindrahindram-pirenena) tao Eorôpa ary indrindra ny fihamafisan' ny tsy fitiavana ny Jiosy (antisemitisma) tamin' ny taompolo 1880. Nanangana ny fikambanana ziônista (na siônista) maneran-tany tamin' ny taona 1897 mba hamahàna ny "olana jiosy" ao Eorôpa i Theodor Herzl, ilay nanoratra ny boky mitondra ny lohaten hoe Der Judenstaat ("Ny Fanjakana Jiosy"). Vokatr' izany dia nitombo izaitsizy ny fifindrà-monina mankany Palestina.
Taloha kelin' ny Ady Lehibe Voalohany dia nisy mponina 690 000 tao Palestina ka Jiosy ny 57 000 amin' izany. Nanaitra ireo mpitarika palestiniana izay nanohitra ny ziônisma tamin' ny fomba tsy azo anaovana fifampiraharahana ny fifindrà-monina jiosy sy ny fividianana tany ary ny fitakiana tany.
Ny fitantanan' ny Britanika
hanovaNampian' ny Arabo ny Britanika tamin' ny fanafahana an' i Palestina teo ampelan-tanan' ny Tiorka Ôtômana taorian' ny Ady Lehibe Voalohany. Nikomy tamin' ny Tiorka ny Arabo satria tamin' ny taratasy nifanakalozana teo amin' i Al-Hussein ibn Ali, izay sheikh tao Meka, dia nampanantena fahaleovantena ny Britanika taorian' ny ady. Nanao fampanantenana maro hafa koa, izay nifanohitra amin' ny zavatra nanolorany tena, ny Britanika. Ohatra, ny fifanarahana miafina maromaro Sykes-Picot (taona 1916) tamin' ny Frantsay sy ny Rosiana dia nahatonga azy hizara sy hanapaka, miaraka amin' ny Firenena Mpiara-Dia, ny fizaran-tany arabo tao amin' ny Empira Ôtômana taloha. Tao amin' ny fifanarahana fahatelo, izay antsoina hoe Fanambaràna Balfour tamin' ny taona 1917, dia nampanantenaina ny hahazo "akanim-pirenena" (anglisy: a national home to the Jewish people), izany hoe tanindrazana ho an' ny Jiosy, izay nahazo fanampiana lehibe amin' ny ezaka hiatrehana ady. Taorian' izany, izany fampanantenana izany dia natambatra ao amin' ny fanirahana hitantana izay nampiandraiketin' ny Fikambanan' ny Firenena (anglisy: League of Nations; frantsay: Société des Nations) ny Britanika tamin' ny taona 1922.
Nandritra izany fitantanana britanika izany (1922-1948) dia sarotra ho an' i Britaina Lehibe ny nampifanaraka ireo fampanantenana mifanohitra nataony ireo. Nanomana fifindrà-monina lehibe ny Ziônista, ny sasany miresaka momba ny hananganana Fanjakana Jiosy izay hahafaoka an' i Palestina manontolo. Nitsipaka ny zon' ny Britanika hampanantena ny tanin' izy ireo ho an' ny Jiosy anefa ny Palestiniana, noho ny fatahorany ny Ziônista izay mikasa ny haka ny fananany. Nisy ny herisetra nanohitra ny Ziônista (antiziônisma) izay nitranga tao Jerosalema tamin' ny taona 1920 sy tao Jaffa tamin' ny taona 1921. Nanao fanambaràna ny Britanika tamin' ny taona 1922, fanambaràna momba ny mitsipaka ny fitakian' ny Ziônista an' i Palestina manontolo sy momba ny famerana ny fifindrà-monina jiosy, nefa nanamafy ny fanohanany ny famoronana filankevitra mpanao lalàna, izay notsipahin' ny Palestiniana izay nihevitra izany ho misy fanavakavahana. Taorian' ny taona 1928, rehefa nitombo indray ny fifindrà-monina jiosy, dia nihevaheva teo anelanelan' ny tsindry avy amin' ny Arabo sy avy amin' ny Jiosy ny pôlitikan' ny Britanika. Nitombo izaitsizy nanomboka tamin' ny taona 1933 ny fifindrà-monina vokatry ny zavatra nataon' ny nazisma tao Alemaina. Tamin' ny taona 1935 dia tonga tao Palestina ny Jiosy manodidina ny 62 000. Antony lehibe niteraka ny fikomian' ny Arabo izay nipoaka tamin' ny taona 1936 sy nitohy tsindraindray hatramin' ny taona 1939 ny tahotra ny fanjakazakan' ny Jiosy. Tamin' izany vanim-potoana izany dia nametra indray ny fifindrà-monina jiosy sy ny fividianana tany ataon' ny Jiosy ny Britanika.
Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa
hanovaNanomboka indray tamin' ny taona 1945 ny ady momba an' i Palestina, izay nihanalefaka nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nahatonga izao tontolo izao hiray fo amin' ny Jiosy eorôpeana sy amin' ny ziônisma ny fandripahana jiosy (frantsay: holocauste). Na dia nandà hatrany ka tsy nanaiky ny handray ny Jiosy miisa 100 000 afa-nandrositra tamin’ ny fandripahana aza ny Britanika dia maro ny Jiosy sisa velona izay tafiditra amim-pomba tsy ara-dalàna tao Palestina avy tany amin' ny toby famatrarana nazy. Nitohy nipetraka ny "fanontaniana palestiniana". Tamin' ny taona 1947 dia nanambara i Britaina Lehibe tamin' ny farany fa hiala amin' ny fitantanana an' i Palestina ka hametraka izany amin' ny Firenena Mikambana. Niomana ho amin' ny fifanandrinana ny Jiosy sy ny Palestiniana.
Maro anisa noho ny Jiosy (600 000) ny Palestiniana (1 300 000) nefa tsy tsara fiomanana. Nanana governemanta mizaka tena amin' ny fomba voafetra, notarihin' i David Ben Gurion, ny Jiosy, sady nanana tafika atao hoe Haganah, izay tsara fanomanana sady nanana traikefa. Mbola tsy tafarina noho ny fikomiana arabo kosa ny Palestiniana sady mbola tany an-tsesitany ny ankamaroan’ ny mpitarika azy. Nitsipaka ny hisian' ny Fanjakana Jiosy ny mufti (mpiandraikitra ny fivoasana ny lalàna silamo) tao Jerosalema, izay mpitondra tenin' ny Palestiniana. Tamin' ny Nôvambra 1947, rehefa nanolotra drafitra momba ny fizaràna an' i Palestina ho fanjakana roa ny Firenena Mikambana dia nitsipaka izany drafitra izany, izay neken' ny Jiosy, ny Palestiniana. Nitombo ny asa fampihorohoroana tamin' ny andaniny sy ny ankilany, ary azon' ny Jiosy ny fandresena tamin' ny ady nifanaovany tamin' ny Palestiniana.
Nanambara ny fahaleovantenany ny Fanjakan' i Israely tamin' ny 14 Mey 1948, izay fotoana nametrahan' i Britaina Lehibe amin' ny fomba ôfisialy ny fitantanana ny faritr' i Palestina tamin' ny Firenena Mikambana. Namely an' i Israely avy hatrany ny firenena arabo dimy izay tonga nanampy ny Palestiniana. Resin' i Israely ny tafika arabo sady nanitatra ny tanim-pireneny mihoatra noho izay tao anatin' ny drafi-pizaràna natolotry ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 1947 ny Israeliana. Nandray ny ila-tany andrefan' ny ony Jordana (Sisjôrdania na Jôrdania Andrefana) i Jôrdania fa i Ejipta kosa naka ny Salavantanin' i Gaza.
Nahatonga ny fifindrà-monin' ny Palestiniana miisa 780 000 any ho any ilay ady, ka nandositra noho ny tahotra ny antsasak' izany, fa ny antsasany faharoa kosa dia noterena hiala mba hamela toerana honenan' ny Jiosy mpifindra monina avy any Eorôpa sy avy ao Arabia. Niorim-ponenana tao amin' ny firenena mpifanolo-bodirindrina ireo Palestiniana very fananana sy tany ireo ka nihazona ny maha olom-pirenena palestiniana azy sy nanantena hatrany ny mbola hiverina ao amin’ ny tany nahaterahany izy ireo. Na dia nisy aza ny hetsika ara-diplômasia nataon' ny firenena arabo, indrindra tao amin' ny Firenena Mikambana, dia nipoitra tsikelikely ny fikambanana mpanao asa fampihorohoroana najoron' ny mpitsoa-ponenana palestiniana hanoherana an' i Israely sy hanimbana ny tombontsoany. Tamin' ny taona 1967, nandritra ny Ady Enina Andro teo amin' i Israely sy ny firenena arabo mpifanila vodirindrina aminy, dia azon' ny Israeliana ny fandresena ka nalainy i Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania), ny Salavantanin' i Gaza, ny Taniefitr' i Sinay, ny vakin-tanànan' i Jerosalema onenan' ny Arabo ary ny Lembalemban' i Golan. Nantsoina hoe "fizaràn-tany voabodo" ireo faritra ireo, fiantsoana izay nanamafy ny disadisa teo amin' ny firenena arabo sy ny Palestiniana andaniny sy ny Fanjakan' i Israely ankilany. Nanomboka namolavola pôlitika fametrahana voanjo jiosy tao amin' ireo fizaràn-tany voabodo ireo i Israely mba hataony fanefitra hiarovana ny taniny.
Jereo koa
hanovaLoharano sy fanamarihana
hanova- ↑ Ny qibla dia ny teboka any amin' ny lafin-tany itodihana rehefa miankohoka mivavaka ny Mozilmana.