Ny parasy dia bibikely tsy manana elatra, kely vatana, katsentsitra mpitroka ra ary mahery mitsambikina. Rehefa lehibe ny parasy dia mitsentsitra avy ety ivelan' ny biby ivelomany. Katsentsitry ny olona sy ny biby misy nono ary ny vorona sasany ny parasy. Matetika ny parasy dia itoeran' ny katsentsitra hafa izay mivelona aminy mandra-piandry ny mpampiantrano farany. Anisan' ny katsentritra vonjimaika ao amin' ny parasy ny soko fisaky ny alika. Amin' ny faritra manodidina ny zana-pehintany dia ny parasin' ny voalavo no mpanaparitaka ny aretina pesta. Manana ny parasiny manokana ny alika, ny saka, ny olombelona, ny voalavo ary ny vorona.

Parasy

Ao amin' ny kolontsaina

hanova

Ohabolana malagasy

hanova
  • Ny parasy no mivelona amin' ny vahiny.
  • Kely tratry ny mafy, ohatra ny parasy voahitsak' omby.
  • Latsaka ao anelanelan-tsihy toa parasy.

Jereo koa

hanova
  NODES
os 3