I Retia, antsoina koa hoe Retia-Vindelikia, na Retia-Vindeliqia, dia faritanin' ny Empira Rômana, nonenan' ny Retiana tao Tyrol sy ny Vindelisiana tany Bavaria; ankehitriny dia mifanitsy amin' ny kantôn' i Graubünden (frantsay: Grisons) sy Valais amin' izao fotoana izao, amin' i Tyrol, amin' ny tapany atsimo amin' i Bavaria, amin' ny tapany atsinanana amin' i Württemberg ary amin' ny tapany avaratra amin' i Lômbardia (Valtellina). Resy sy azon' i Droso (Drusus) sy i Tiberio (Tiberius) tamin’ ny taona 15 tal. J.K. izy, izay lasa faritany imperialin' i Retia izay nizara tamin' ny taonjato faha-4 teo amin' i Retia I (renivohitra i Chur na Coire) sy i Retia II (renivohitra i Augusta Vindelicorum).

I Retia tao amin' ny Empira Rômana tamin' ny taona 120

Lasa ivelany sy tsy dia nandroso ara-toekarena i Retia, ka mora rembin' ny Alamàna izay nibodo ny fari-tany talohan' ny nanafihany ny morony havia amin' ny ony Rhin mba hamoronana ny fanjakany manokana. Tamin' ny taonjato faha-5 dia notafihin' ny Alàna sy ny Vandaly izy talohan' ny nahazoan' i Teôdôrika, mpanjakan' ny Ôstrôgôty azy. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-6 dia nofehezin' ny Bavariana izay namorona ny dokea voalohan' i Bavaria, izay nampidirin' i Charlemagne ho ao aminy tany notapahany.

Nitohy nandritra taonjato maro ny fampielezana ny kolontsaina rômana tamin' ny faritra madinidinika maro, nanodidina ny evesean' i Augsburg ary mandraka ankehitriny any Soisa ao amin’ ny kantôn’ i Graubünden (frantsay: Grisons), izay nantsoina taloha hoe kantôn’ i Retia, izay mbola misy fiteny rômana atao hoe "retô-rômana" na "rômantsa".

  NODES
Done 1