Ny vatosanga na zipsa dia karazana mineraly misy solfata-na kalsiôma, izay manana raikipohy CaSO4·2H2O. Trandrahana betsaka ny vatosanga ary atao zezika sy ampiasaina ho singa fototra amin' ny endrika maron' ny platira sy tsaoka fanoratana. Karazana vatosanga ny albatra sy ny selenita.

Vatosanga sy solifara

Mety hanana endrika kristaly selenita mangirakiraka koa ny vatosanga. Ny mari-drefin' i Mohs momba ny hamafin' ny mineraly dia mamaritra ny vatosanga ho manana sandan-kamafy 2 mifototra amin' ny fampitahana ny hamafin' ny fifampikikisana. Ny vatosanga dia manjary kristaly ka ahitana kristaly fotsy na tsy misy loko, izay miseho amin' ny endrika tambongana mitambatra na amin' ny endrika takelaka. Misy ny miloko maitso, mavo na mainty noho ny fisian' ny loto. Raha 1,5 hatramin' ny 2 ny hamafiny dia malefaka tsara izy ka azon' ny hoho kikisana ary ny lanja isam-belerany dia 2,3.

Ny vatosanga dia miforona any amin' ny faritra be afotroa amin' ny alalan' ny asan' ny asidra solifiorika amin' ny mineraly misy kalsiôma. Hita amin' ny ankamaroan' ny karazana tanimanga koa ny vatosanga amin' ny maha vokatry ny asan' ny asidra solifiorika amin' ny vatosokay azy. Mineraly avy amin' ny dilatra miely patrana ny vatosanga, miforona avy amin' ny sikin' ny solfata-na kalsiôma ao anaty ranomasina. Matetika ny vatosanga no mifandray amin' ny halita, ny anidrita, ny vatosokay ary ny sista.

Trandrahina maneran-tany ny vatosanga. Betsaka ny tahiry any Frantsa, any Soisa, any Etazonia ary any Meksika. Ny vatosanga madini-benty fotsy na somary misy loko kely, fantatra amin' ny anarana hoe albatra dia nampiasaina tao amin' ny kolontsaina maro hanaovana sarisokitra, anisan' izany ny tany Ejipta tamin' ny Andro Taloha, tany Mesôpôtamia, tany Rôma fahiny, tao amin' ny Empira Bizantina, ary ny alabatiran' i Nottingham tany Angletera tamin' ny Andro Antenatenany.

Afatratra ho tonga vongana mafy ny vatosanga ary ampiasaina amin' ny fanamboarana takelaka matevina ho an' ny fanorenana trano. Amin' ny fanaraha-maso tsara ny harihitra sy ny mari-panan' ny asidra solifiorika afangaro amin' ny fôsfaty dia azo atao ny mahazo fifangaroana mônôkalsiôma-na fôsfaty sy dikalsiôma-na fôsfaty ary vatosanga, ka ahazoana zezika sarobidy. Raha hafanaina amin' ny mari-pana 130 °C eo ho eo ny vatosanga dia very ny ampahan-drano mampanjary kristaly azy ka miova ho platira izy. Ny platira avadika ho vovoka manify sy afangaro amin' ny rano dia manjary vatosanga mafy, izay manana kristaly mitroka rano indray ka mifampiditra sy mitombo hadiry. Noho izy miitatra sy manentsina ny banga rehetra rehefa maina no mahatonga ny platira hampiasaina ho lasitra amin' ny fanamboarana sarivongana, bakoly, solonify ary kojakoja madinika vita amin' ny metaly ilaina amin' ny fandidiana ny marary. Akora fototra amin' ny loko ampiasaina amin' ny hosodoko ny vatosanga. Ampiasaina koa ny vatosanga hahatara ny fahamainan' ny simenitra.

Jereo koa

hanova
  NODES